arabo, hoy ny antoko politika Natiora, raha naneho hevitra mikasika ny dian’ny filohan’ny fanavaozana, ny Kolonely Michael Randrianirina, any Abu Dhabi. Ny arabo, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, tsy manjanaka izany. Matotra, hoy ity mpanao politika ity, ny fiarahana aminy. Raha ny tena izy aza rehefa hanamafy fiaraha-miasa amin’ny tatsinanana ihany isika dia tokony amafisina koa ny fiaraha-miasa amin’ny rosianina satria raha ny resaka jeopolitika amin’izao fotoana izao dia jereo ny ataon’ny amerikanina fa manao fibodoana tsy mendrika any Venezuela! Naka an-keriny ny filoham-pirenena tao mihitsy ohatran’ny nakan’ny frantsay ny filoham-pirenena malagasy teto. Iny nataon’ny amerikanina iny dia midika hoe na Madagasikara aza dia azony atao amin’izay tiany anaovana azy. Izay no amerenana hoe aleo amafisina ny fiaraha-miasa amin’ny rosianina fa mbola tsy nisy zanantany rosianina izany teto ambonin’ny tany. Fiaraha-miasa sy fifanampiana ara-bola no tena ho ataon’ny tatsinanana. Mitady ny tombontsoan’ny malagasy no dikan’izay ny filoha Michael. Izay hampandroso sy hahasoa an’i Madagasikara no tadiavin’ny tatsinanana ary averina ihany fa tsy mbola nisy arabo na rosianina nanjanaka na nanana zanatany izany fa fiaraha-miasa ahazoan’ireo firenena mifanaraka tombontsoa mitovy no tadiaviny na ilay hoe «gagnant - gagnant». Misy zavatra be dia be ilain’izao tontolo izao eto Madagasikara. Mitady ny ilainy koa ireo arabo ireo ka mora amintsika, noho izany, ny hiara-hiasa amin’ny arabo, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana