Mihari-Ni-Rencho. Famonoana olona sy fanimbana tontolo iainana tsinona izany resaka Base Toliara izany, hoy izy. Aza adinoina fa na ny QMM Taolagnaro aza be dia be ny hazan-drano maty. Ny rano maloto. Tsy voahaja ny tontolo iainana. Mitaraina ny mponina. Mitovy amin’izany ihany io Base Toliara io, noho izany. manana «terre rare» na tany tsy fahita firy toy ny fasimainty izany koa ny amerikanina fa maninona no tsy any aminy izy no manao? Saika nisy hanao izany koa tany Aostralia fa tsy neken’ny fanjakàna. Tsy ny Base Toliara ihany no hahafahana mampandroso an’i Toliara. Tsy ilaina io. Ny mpitondra moa tsy sasatry ny mampanantena poakaty. Inona izao no fampandrosoana nentina tany, raha ny fanaovana filankevitry ny minisitra tany? Sahala amin’ny tany Mahajanga ihany. Mankaiza izao ny lalan’i Mahajanga sy ny resaka jiro mandeha amin’ny masoandro? Fampanantenana tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka mihitsy ireo fitrandrahana eto Madagasikara. Ny mpitondra no mahazo tombontsoa. Famonoana sy fandripahana fa tsy fampandrosoana no entin’ny Base Toliara. Ny ala arovan’i Mikea izay efa anaty ala arovana iraisampirenena. Tsy voatery ho trandrahana rehefa harena an-kibon’ny tany. Misy amin’ny fotoanany io. Misy fanadihadiana tokony atao. Mila hanontaniana ny kipitsopitsony ary anontaniana ny mponina. Manana tekinisianina maro isika afaka mampahafantatra hoe inona no tombony sy olana? Hatraiza no azo trandrahana sy trandrahana? Maika vola ilay fitondràna dia atao barofo fotsiny, hany ka lojika ny olona raha hisakana. Vao firy taona izay no niresahana an’io dia efa firy no nosamborina? Tsy mba ny tompon’ilay orinasa no miezaka mifampiresaka amin’ny mponina fa ny fitondràm-panjakàna mihitsy no misolo vava ilay orinasa. Ilay fanjakàna tokony hiaro vahoaka sy tombontsoam-bahoaka nefa ilay orinasa indray no harovany sy hampiasany hery amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana. Tsy hanaiky ny vahoakan’i Toliara ary hisy fifandonana foana eo satria na ny vola niditra tao aza tsy hay hoe nankaiza? Ny tetibola aza tsy nasiam-panitsiana. Tsy hay hoe inona no ilàna depiote? Ny rivotra mitsoaka any atsimo no hampienjera izao fitondràna izao! Efa miha mafy io ny fifandonana any an-toerana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,
Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,