airtel

Politique

19-janv-2026

Minisi-panjakana Hanitra Razafimanantsoa

"Tsy voaarina iray andro ny

Sample post image

tsy mety 30 taona! Omanina tsara ny fanavaozana"

19-janv-2026

Tsy vita ao anatin’ny indray mipi-maso ny Fanavaozana ny tsy nety nandritry ny taona maro, efa naharitra 30 taona, 20 taona, 10 taona. Rehefa te hahazo zavatra tsara dia manomana tsara fa tsy manao kitoatoa na alasafay, raha izay dia vokatra ratsy no ho azontsika”. Io no hafatra nentin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Me Hanitra Razafimanantsoa, nanentanana ny vahoaka mba haharitra sy hanana finiavana amin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana sy ny fikarakarana ny Fikaonandoham-pirenena. Tafiditra amin’ny fanomanana izany indrindra dia nanatanteraka “team building” ny Minisiteram-panjakana ny 15 sy 16 janoary teo teny Ivato. Nandray anjara avokoa ny mpiara-miasa rehetra, na dia ireo mbola eo am-piandrasana fanendrena aza. Natokana ity fihaonana ity mba hampitoviana ny fomba fijery, ny lalan-kombana, ary ny fampanajana ny soatoavina fototra: Fifanajana, Fiaraha-mientana ary Finiavana. Manana adidy sy andraikitra ny mpiara-miasa hanatanteraka ny Fanavaozana, ka ilaina ny fampitoviana ny lalantsaina sy ny fomba fiasa hahatratra ny tanjona araka ny iraka nampanaovina ny Minisiteram-panjakana. Namaly ny antso ihany koa ny avy amin’ny FFKM, ny fiarahamonim-pirenena ary ny tanora GenZ. Amin’ny fotoana manaraka dia mbola hisy fiofanana sy fanofanana ireo hitarika ny Fikaonandoha, ka hihitatra amin’ny mpisehatra hafa ankoatra ireo dinik’asa hotanterahana isaky ny ilàna azy. Hihitatra any amin’ny faritra, distrika, kaominina ary fokontany ny fiofanana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-mientana hanatrarana ny tanjon’ny Fanavaozana ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, ary indrindra ny fametrahana fomba fiasa mahomby entina manatanteraka ny Fanavaozana sy ny Fikaonandoham-pirenena. Namafisina fa ny Fikaonandoham-pirenena dia hiainga eny ifotony, avy any amin’ny fokontany, miakatra any amin’ny kaominina, distrika ary faritra. Izany no atao mba hamaly ny andrasan’ny vahoaka sy hahazoany vokatra avy amin’ny Fanavaozana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap