Fomendraza Haingo Elisette, nandray fitenenana nandritry ny fifamindram-pahefany sy ny nodimbiasany, Soafilira Princia, tetsy Ambohijatovo omaly. Iombonantsika mpiara-miasa, hoy izy, noho izany, izany andraikitra izany satria malagasy iray tsy mivaky isika. Madagasikara tany sambatra no tanjona. Mpitarika fotsiny ny tenako fa isika rehetra izao no hiaraka hamindra hanatanterahana ny politikan’andriamatoa filoha hajaina, Andry Rajoelina. Misy ny fanatanterahana ny asa anaty 100 andro araka ny fandaharan’asa nomen’ny filoham-pirenena. Mampiavaka ny malagasy ny fihavanana sy firaisankina ary manana anjara toerana lehibe amin’izany ny mahaolona. Ho jerena manokana ny vehivavy. Ahoana no hananana fahaleovantena bebe kokoa? Hatao adisisika ny fijerena ny zon’ny sembana, ny zon’ny ankizy, ny zon’ny zokiolona, indrindra, ireo tsy misy mpiahy. Misy lalàna tokony asiana fanatsarana fa misy koa asiana fanjohiana mba hisitraka ny zony ireo marefo, hoy hatrany ity minisitra vaovao ity nampahatsiahy fa fahefana mpanatanteraka ny minisitra.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny