airtel

Politique

17-janv-2024

Minisitry ny mponina vaovao

Nampahatsiahy fa fahefana mpanatanteraka ny minisitra

Sample post image

Notendrena ho minisitry ny mponina sy ny firaisankina ny tenako, hoy ny minisitry ny mponina vaovao,

17-janv-2024

Fomendraza Haingo Elisette, nandray fitenenana nandritry ny fifamindram-pahefany sy ny nodimbiasany, Soafilira Princia, tetsy Ambohijatovo omaly. Iombonantsika mpiara-miasa, hoy izy, noho izany, izany andraikitra izany satria malagasy iray tsy mivaky isika. Madagasikara tany sambatra no tanjona. Mpitarika fotsiny ny tenako fa isika rehetra izao no hiaraka hamindra hanatanterahana ny politikan’andriamatoa filoha hajaina, Andry Rajoelina. Misy ny fanatanterahana ny asa anaty 100 andro araka ny fandaharan’asa nomen’ny filoham-pirenena. Mampiavaka ny malagasy ny fihavanana sy firaisankina ary manana anjara toerana lehibe amin’izany ny mahaolona. Ho jerena manokana ny vehivavy. Ahoana no hananana fahaleovantena bebe kokoa? Hatao adisisika ny fijerena ny zon’ny sembana, ny zon’ny ankizy, ny zon’ny zokiolona, indrindra, ireo tsy misy mpiahy. Misy lalàna tokony asiana fanatsarana fa misy koa asiana fanjohiana mba hisitraka ny zony ireo marefo, hoy hatrany ity minisitra vaovao ity nampahatsiahy fa fahefana mpanatanteraka ny minisitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny

Card image cap
22-mai-2026

Tena ny fanasaziana ny mpitsabo ao

Card image cap
21-mai-2026

fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa»

Card image cap