Taorian’ny fanatsaharana ny USAID, ny fialany amin’ny OMS,… dia mikasa handrava ny Departemanta misahana ny Raharaha Afrikana i Etazonia. Hosoloina ho Birao misahana ny iraka manokana, izay kely lavitra ny habeny sy ny vola haompana aminy, araka ny tatitry ny Gazety New York Times. Hifandray mivantana amin’ny Filankevitra Nasionaly misahana ny fiarovam-pirenena ao amin’ny Maison Blanche, fa tsy amin’ny Departemantan’ny Fanjakana intsony. Ao anatin’ilay drafitra dia kasaina ihany koa ny fanakatonana ny masoivoho sy ny konsila amerikana maro aty Afrika. Hofoanana avokoa ireo masoivoho sy konsila tsy tena ilaina any Afrika Atsimon’i Sahara", hoy ilay drafitra, ary hampivondrona ho eo ambany fahefan’ny iraka manokana ny iraka rehetra sisa tavela. Tafiditra amin’io faritr’i Afrika Atsimon’i Sahara io isika, ary tsiahivina fa isan’ireo Firenena 9 nandraisan’ny Alema fanapahan-kevitra mikasika ny fanafoanana ny Friedrich Ebert Stiftung izay hikatona tanteraka amin’ny aogositra 2025 isika. Hosoniavin’ny filoha tsy ho ela ny tetikasa didim-panjakana mifandraika amin’izany, ary dia ho tanterahana manomboka ny 1 Oktobra, raha tsy misy ny fiovana. Tanjona, hoy i Washington, ny fandaminana kokoa amin’ny fanatanterahana ny iraka, sady mampihena ny fandaniam-poana, ny hosoka, ary ny fanararaotana. Hisy fiantraikany ihany koa amin’ireo birao misahana ny fiovan’ny toetrandro, ny mpitsoa-ponenana, ary ny olan’ny demaokrasia sy ny zon’olombelona. Ankoatra izay, ny masoivoho amerikanina ao amin’ny renivohitra kanadiana, Ottawa, dia "hampihena be dia be", satria mitohy ny finiavan’i Donald Trump hanitatra amin’i Kanada, izay efa niantsoany ho "fanjakana faha-51" amin’ny anjara fanjakana amerikanina. Mety hisy mpanao lalàna hanohitra an’ireo sosokevitra sasantsasany. Na izany aza, Firenena faharoa nampiakarina ambony indrindra ny haban-tseranana izay 47% ny antsika, na ekena aza fa mihemotra 90 andro ny fampiharana azy. Heverina fa mbola anaty ambana sy mety tsy ho afa-bela indray amin’ity resaka fanakatonana masoivoho ity raha ho raikitra. Manana paikady ara-toekarena hiatrehana izany ve ny Fanjakana Rajoelina sa dia miandry izay higadonany hatrany ?
Toky R
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na