airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Morondava Namaky barazy ry Siteny

Sample post image

Tany Morondava, faritra Menabe indray omaly alahady ny Mihava Tour an’i Siteny Randrianasoloniaiko.

12-juin-2023

Somary nafampana tahaka ny andro ny ambiansy omaly raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana satria na dia efa nametraka taratasy fampahafanarana ny fihaonambe hataony aza ny mpikarakara ny Mihava tour ary efa namaly izany ny manampahefana ao an-toerana hoe Hita sy Ekena, dia tonga vao maraina nanakana ny mpitandro filaminana. Nandeha teo ny fifampiresahana sy fifanazavana teo amin’ny mpitarika ny emmoreg sy ireo depioten’ny Mihava Tour.Ny olona amin’io efa manomboka tonga tsikelikely ary efa nitangorona. Tamin’ny 2 tolakandro ny fotoana nifanomezana saingy voatery nahemotra izany noho io tranga fanakanana io…Rehefa tsy nanaiky moa ireo olom-boafidy sy ny vahoaka niaraka taminy dia tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana, vaky ny barazy ka afaka namonjy ny toerana niomanana handraisana ny fihaonana ny Mihava Tour. Nifandimbiasana teo ny kabary nifampizarana vaovao sy nihainoana ny hetahetan’ny mponina any an-toerana ary tsy nisalasala nilaza ny marary azy ireo ny mponina .
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap