airtel

Politique

24-janv-2025

Mouvement vonjeo i Gasikara*

«Jereo ny fisian'ny Rafitra ifotony fikaonan-doha!»

Sample post image

Tahian'i Zanahary ianareo ben'ny tanàna rehetra vao voafidy tamin'ny fifidianana kaominaly sy mpanolontsain'ny

24-janv-2025

tanàna, hoy ny filohan’ny antoko politika GAR na Gasikara antsika rehetra, izay sady mitarika ny hetsika MVG na Mouvement vonjeo i Gasikara, Alain Mahavimbina. Miarahaba anareo ny MVG, hoy izy. Vita hatreo ny politika politisianina. Politikam-pampandrosoana izao no tokony imasoanareo. Tokony avy hatrany, samy mijery ny fomba mahomby ahatongavana amin'ny fanatanterahana ny fampanantenana natao tamin'ny vahoaka nandritra ny fampihelezankevitra ny tsirairay. Resaka tanàna iaraha-manana no manomboka eto. Jereo ny fisian'ny Rafitra ifotony fikaonan-doha na R I F izay lazain'ny didim-pitondràna 2015-957! Manampy anareo sy aro fandrika miaro anareo ny fahombiazan'io rafitra io amin'ny fitantanana ny tanàna. Mankahery sy mirary fahombiazana hoanareo ny M V G. Eto am-pamaranana dia tiako ny mitondra fiarahabana manokana hoan’ny rahalahy zokibe ben’ny tanànan’Antsiranana tamin'ny nametrahan’ny vahoakan'Antsiranana fitokisana indray ny hitarihany ny fampandrosoana miaraka amin'ny vahoaka. Maro no lesona azo tsoahina, izay nofaritan'ny fahendren'ny Ntaolo amin'ilay ohabolana hoe : "Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy nety dia harenina miaraka ho fampandrosoana ny tanàna. Masina ity tanindrazantsika ity ka izay manimba azy ho vonoin'ny tsiny tsy tia ratsy. Ho samy tahian'ilay nahary ka hampian'ny razana sy ireo hasin-tany ary ireo fadin-tany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap