airtel

Politique

30-juin-2025

Mpitondra mpamono vahoaka

Efa loza mihatra aman’aina ! Tsy maintsy hifototra…

Sample post image

Mitombo ny adihevitra mikasika ireo didy aman-dalàna samihafa izay sokajiana ho mamono ny

30-juin-2025

toekerana sy ny fihariana, mambotry ny vahoaka,… toy ilay fanapahana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFI 2025 izay tsy nasiam-panintsiana. 116 ,64 miliara Ar no vola heverin’ny Fanjakana fa ho azony, amin’ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutéé) 20% amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola amin’ny banky. Ny mpindram-bola izany hoe ny mpndraharaha, orinasa, olon-tsotra,… no ho tratra farany. Ny zana-bola alain’ny banky no hiampy ny 20%n’iny zana-bola iny, ka ny fitambaran’ireo no aloan’ny mpanjifa raha raisina amin’ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Banky Foibe. Raha mindrana 10 000 000Ar izany ohatra ny orinasa na mpandraharaha iray ka 17% isan-taona ny zana-bolany izany hoe : 11 700 000 ny vola tokony haveriny, dia mbola miampy an’ilay 20% an’iny 1 700 000 iny manome 340 000Ar, lasa 2 040 000 izany ny zana-bola hefain’ny mpanjifa, 12 040 000Ar ny fitambaran’ny fanefana vola ataony anatin’ny herintaona rehefa miampy ilay TV 20% amin’ny zana-bola. Raha 17% ny zana-bola tokony haloany dia tafakatra 20,4% noho ilay TVA. Zava-doza ary mihatra aman’aina izany amin’ny toekarena sy fandraharahana. Manao izay hanatahana vahoaka, manao ampihimamba ny fidiram-bola samihafa ny Fanjakana fa tsy misy tena tamberiny azo tsapain-tanana amin’ny fiainan’ny Malagasy. Efa nampimenomenona ireo olom-boafidy eny itotony ny nanapahana fa ny Fanjakana Foibe no hanao ny famoriana ny hetran-trano (IFPB) sy ny hetran-tany (IFT), saingy alaina amboletra. Adihevitra teto tany amin’ny aogositra 2024 ny hampiakarana ho 25% ny IRSA (Impôt sur les Revenus Salariaux et Assimilés) ho an'ireo saranga ambony indrindra sy salantsalany, eo anelanelan'ny taona 2024 sy 2027. Fepetran’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) izay efa nahazoana vola io. Raha ny voalazan'io fifanarahana io hatrany dia efa vonona ny fitondràna malagasy na hoe : « les autorités sont déterminées » hitondra an'io fanovàna io mba ahafahana mampitombo ny fidiram-bolan'ny fanjakana amin'ny alalan'ny hetra. Mety hihatra izany io na ho ela na ho haingana. Andaniny, ny mpiasam-panjakana tamin’ny 2019 no nisy fiakaran-karama farany 13%, ny tsy miankina miha potika noho ny olana samihafa : delestazy, fahasarotana ara-panjakana, fitakian-ketra mihoampampana,… Manamafy ireny fa mitombo ny fahasosorana, mena ny tondro, tsy maintsy hirefotra,…
HANDANIANA VOLAM-BAHOAKA MBA HAMONO AZY, MISY MIKOROPAKA…
Manomboka mifototra etsy Tsimbazaza sy Anosikely ny raharaha, misy ireo mikorapaka ! Misy ireo depiote vitsivitsy miezaka maneho fa tsy nampandany ny LFI, fa maro ihany koa ny heverina fa tsy nahalala akory izay tena voasoratra tao, fa dia baiko midina fotsiny hoe : io no baikon’ny antoko, dia tsy maintsy laniana. Ny etsy Anosikely moa lazaina fa andrim-panjakana mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, kanefa dia lany tsy misy fepetra ny lalàna mamono ireo Kaominina 1695 manerana ny Nosy. Any anaty fahefana mpanao lalàna aza moa moa misy sahy miteny hoe : ao an-damosinao ny Antenimierampirenena Atoa Filoha. Volam-bahoaka no hanaramana depiote sy loholona ary ny fahefana mpanatanteraka saingy famonoana ny Malagasy mivantana sy ankolaka no mitranga. Marina sy ekena fa ny hetra no fidirambolan’ny Fanjakana ankoatra ny fitrosana any ivelany hatreto, saingy tena tsara tantana sy mamaly ny filam-bahoaka ve ? Tsikombakomba hambotry ny Malagasy sy fifampiarovana amin’ny ratsy, kolikoly, fitantanana gaboraraka ny volam-panjakana,… no misy matoa mena ny tondro rehetra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap