airtel

Politique

15-sept-2025

Mpitondra tsy mahay mihaino sy mandray lesona

Mampihaiky ireo mpisehatra politika

Sample post image

Rehefa tsy azonao androany ny tiako ho lazaina dia ho

15-sept-2025

azonao rahampitso, hoy ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina. Izay indray izany rankizy no lesona nomen'ny filoha antsika, hoy ny mpikaroka avy eo anivon'ny antoko politika Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Azonareo avaly an'i dada na i neny na i zoky izany rehefa mibedy anareo izy, hoy izy, satria niteniteny foana ianareo. Ry nahary ny lanitra sy ny tany o! Vonjeo ny taninay, hoy hatrany ity mpanao politika ity! Ny firesahana ny tranga any Népal na Frantsa, hoy kosa tetsy ankilany ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Miary Rakotoarijaona, dia tsy fiantsoana ny malagasy hanimba fa mba ho fanairana ny mpitondra handinika tsara amin'ny zavatra sy asa ataony ary indrindra hanomezana antoka ny olompirenena fa ny akanga maro tsy vakin'amboa. Maro ankoatran'ireo ny mpisehatra politika namerina fa tsy mahay maka lesona amin'ny tantara isika na tsy mahay mandray lesona amin'ny tantara ny mpitondra. Hita ho mampihaiky ireo mpisehatra politika hatreto izay tsy fahaizan'ny mpitondra mihaino sy mandray lesona izay saingy fanontaniana mipetraka koa etsy ankilany ny hoe ireo mpisehatra politika, na mpanohitra fitondrana io na mpanohana na fiarahamonim-pirenena, koa ve efa nandray izay lesona navelan'ny tantaram-pirenena izay?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap