airtel

Politique

26-déc-2024

Na hiditra any amin’ny repoblika faha 5 aza!

«Izao mihitsy no tokony hanaovana fifanarahana politika»

Sample post image

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

26-déc-2024

fa na ny Transparency international na ny KMF-CNOE na ny fiarahamonim-pirenena toy ny Randrana sendikaly dia samy mahita sy miahiahy sahady mikasika ny mety hitranga manoloana izao olana tamin’ny fifidianana izay mety hiantraika amin’ny fiainan’ny mpiasa izao. Tsy ny ao Toliara ihany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, no mafampana fa io koa izao ny eto Antananarivo. Tsy maintsy misy fiantraikany aty amin’ny mpiasa nefa izany, hoy izy. Ny mpiasa foana no potika. Izao mihitsy izany no tokony hanaovana fifanarahana politika na hiditra any amin’ny repoblika faha 5 aza raha izay no hanatsara ny tontolon’ny asa! Taitra izahay hoe ny solombavambahoaka mihitsy no tsy nanaiky ny fampiakaran-karama tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola. Lazaina fa ny fisondrotan-karaman’ny mpiasa no mampiakatra ny vidim-piainana. 3 taona nefa tsy niakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakàna fa niakatra foana ny vidim-piainana. Fomba fiala politika fotsiny izany resaka karama misondrotra lazaina fa mampiakatra vidim-piainana izany fa ny tena marina dia tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra no anton’io. Tsy mahagaga raha 64 taona i Madagasikara no nahantra foana satria tsy napetraka teo am-pelantanan’ny mpiasa ny fampandrosoana ny toekarena. Tsy misy toekarena mandroso raha tsy mandroso ny mpiasa. Ny paikadin’ny fitondram-panjakàna mikasika ny fanenana ny fiakaran’ny vidim-piainana no tsy mazava. Tokony atao Tam tam mihitsy izany fampiakarana karaman’ny mpiasa izany. Ny fitantanana baranahiny eto izay mahatonga ireny volamena mivoaka an-tsokosoko eto ireny no mahatonga ny olana eto. Nailik’ireo mpitondra nifandimby tany amin’ny mpiasa daholo ny tsy fahaiza-mitantan’izy mianakavy. Ny fanilikilihana ny mpiasa izay tokony ho avokavoky ny fampandrosoana ny toekarena eto no mahatonga ny fahantrantsika tao anatin’ny 64 taona. Manana politika mazava ho amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny asa ny Randrana sendikaly ka antony mahatonga azy miditra amin’ny resaka raharaha politika, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap