airtel

Politique

07-mai-2026

Namaly an’i Roland Ratsiraka

ireo fiarahamonim-pirenena

Sample post image

Ny raharahanareo depiote alamina tsara!»

07-mai-2026

Mahatsiaro voahitsakitsaka ny zon’ny fiarahamonim-pirenena amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaràna nataon’ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena manerana an’i Madagasikara, tetsy Analakely, omaly. Fifidianana solontenan’ny fiarahamonim-pirenena tao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana no resaka eto, hoy izy ireo. Mila ampianarina ny fomba fiarahamonina eto amin’ity Madagasikara ity ihany ny mpanao politika! Tsy tokony hidiran’ny mpanao politika ny anjaran’ny fiarahamonim-pirenena! Manan-jo hanolotra olona ary tsy tokony ho elingelenin’ny mpanao politika ny fiarahamonim-pirenena. Niezaka nangiana foana izahay. Ho fiarovana ny fahaleovantenan’ny fiarahamonim-pirenena nefa dia tsy maintsy hiteny amin’izao fotoana izao. Ara-dalàna ny fifidianana nahalany ny kandidà solontenan’ny fiarahamonim-pirenena rehetra tonga tao. Nisy komity manokana na «comité Adhoc» nikarakara ilay fifidianana sy naha tanteraka azy. Solombavambahoaka iray no nanao vava be fa «loza» izany ary tadiaviny tsy hanao fianianana ilay olom-boafidy. Efa nivoaka nefa ny didim-panjakàna nanendry azy hanatanteraka ny andraikiny. Hafa ny fiarahamonim-pirenena ary hafa ny fiarahamonina politika. Aza sembantsembanin’ny mpanao politika ny fanabeazan’ny fiarahamonim-pirenena fa manjary lasa fitaovana politika ilay fiarahamonim-pirenena! Zo fototry ny fiarahamonim-pirenena ny fanabeazana. Aza hitsahin’ny mpanao politika ny zonay! Miangavy ny filohan’ny fanavaozana hampihatra ny didy hiasàn’i Rabenandrasana Cyril! Tsy voatendry ilay olona fa voafidy ara-dalàna. Mbola tsy niasa akory ilay olona. Mbola tsy tonga eo amin’ny toerany. Mbola tsy nitàna ny biraony. Efa fanaratsiana sahady. Aiza isika malagasy no handroso? Mbola tsy hitantsika akory ny fomba fiasan’ilay olona dia efa fanaratsiana no atao aminy. Rariny isika raha tsy handroso sy tsy hivoatra mihitsy. Mba tonga lafatra ve ianareo miteny ireo? Maninona raha mba miara-miasa fa tsy faly ny hifanenjika foana? Ny didim-panjakàna na «décret» 2021-1867, izay mametraka ny mpikamban’ny CENI no manome alalana ireo fiarahamonim-pirenena mikirakira fifidianana hanolotra solontena ao amin’io vaomiera io. Na ny CENI foibe aza tsy miditra amin’ny fikarakaràna izany satria mahaleotena ny fiarahamonim-pirenena. Fanakorontanana firenena, noho izany, ny fanambaran’ilay solombavambahoaka iray iny satria fantany izany. Rehefa tsy izy na tsy olony na olona afaka lalaoviny izany no tafiditra ao dia ireny no fanehoan-keviny. Maninona no tsy nokihaniny ny lehiben’ny faritra Analanjirofo? Toy izany koa ny lehiben’ny faritra hafa? Misy fiarahamonim-pirenena hafa tafiditra amina rafitra hafa fa maninona no tsy notsikerainy satria mazava ny tiany hahatongavana. Tsy tia namana tafavoaka iray fihaviana aminy izy. 38 no isan’ny mpifidy fa 19 no nandany an’i Rabenandrasana Cyril. Latsa-bato miafina teny amin’ny foiben’ny CENI no natao. Hajao ny safidin’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena miisa 19 ireo! Ny raharahanareo depiote alamina tsara fa aza idirana ny an’ny fiarahamonim-pirenena, hoy hatrany izy ireo namaly ny depiote Roland Ratsiraka!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Card image cap
06-mai-2026

fiampangan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
06-mai-2026

sy ny Minisitry ny Fitsarana…

Card image cap
06-mai-2026

Nisokatra omaly ny fotoam-pivoriana

Card image cap