Ny fahitana azy dia Mercedes Maybach, ary efa somary hita indraindray nanomboka tany amin’ny tapaky ny febroary teo. Anisan’ny fiara raitra dia raitra tokoa. Manomboka eo amin’ny 252 406 euros na 1,2 miliara ariary mahery ny vidiny ary mety ho tonga hatrany amin’ny 470 000 euros na 2,1 miliara Ar, fa arakaraka ny karazany sy ny taona nivoahany moa ny vidiny. Eo ihany koa ny mety ho famadihana azy ho tsy laitram-bala na « blindée » izay mety hanakaiky ny vidin’ny fiara tsotra ny saran’izay. Ny Mercedes-Maybach S 680 dia voasokajy ho isan’ny fiara raitra indrindra eto ambonin’ny tany, nampiasana fahaiza-manao sy teknolojia tena avo lenta, ary noferana ho 150 ihany izy maneran-tany. Niteraka adihevitra tsy nifankahitana tamin’ny tambajotran-tserasera moa ny fitaterana an’io ka isan’ny fanontaniana nipetraka ny hoe : ho fananam-panjakana izy ity sa ho an’i Andry Rajoelina manokana ? Samy manana ny ambarany rehetra, ka ireo mpanohana ny Filoha milaza fa zavatra lojika satria filoham-pirenena i Andry Rajoelina fa tsy olon-tsotra, ary ny mpandraharaha tsotra aza mahavidy fiara raitra mainka filoham-panjakana ? Kiana mivaivay no setrin’ireny hoe : volam-bahoaka sa volan-dRajoelina ? Mangarahara ve ? Ao anatin’ny zavatra tsy azo hihodivirana sy filan’ny Firenena ve ? Ny mpandraharaha tsotra azo lazaina fa volany madiodio fa ny Filoha dia anatin’ny sokajy « personnalité publique », mpitondra firenena, tsy fantatra na volam-bahoaka na volany manokana no nividiany fiara raitra. Lojika raha mandeha ny adihevitra vao misy fihetsika na toe-javatra hafahafa mikasika azy. Raha hatao indray hoe : fiara fanomezana avy amina vondrona ara-toekerana manokana, dia vao mainka mametraka ahiahy hoe : inona no tambiny sy tamberiny ? Famarotan-tanindrazana ankolaka ? Raha holazaina fa fiara hofaina indray, mbola azo lazaina ho fandaniana volam-bahoaka fahatany satria efa manana ny fiara fampiasany ny Filoha satria efa fahita nitondra an’ilay V8 Cadillac, efa tazana nitondra LEXUS LX570 raitra dia raitra,,… Tsy finiavana hitsikera na hisintona lakolosy, fa maro no mandika fa zary lasa fanesoana ny vahoaka Malagasy hoe : ny Filohany mamoaka fiara raitra dia raitra fa ny vahoaka miha sahirana sy mahantra andro aman’alina, miaina anaty tsy fandriampahalemana andro aman’alina, miaina fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, miaina krizy mandavan-taona,... Raha hiverenana ny raharaha 2009, isan’ny natao fitaovana nanonganana an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny toerana naha Filoham-pirenena azy ny fividianana fiaramanidina Air Force One II teo amin’ny 60 tapitrisa dolara tamin’izany. Azo lazaina ho tsara sy nety kokoa ny fari-piainan’ny Malagasy, nanana tahirim-bola vahiny nanodidina ny 2 miliara dolara ny Fanjakana Malagasy tamin’izany nahafahan’ny Fanjakana tetezamita ary mety ampahefatr’io sisa tavela tapitra ny taona. Izao isika manao ahoana ? Mety ve ny fiainan’ny Firenena ? Milamina ve ny toekarena sy ny sosialy ? Mifankaiza amin’ny nanonganana an’ingahy Marc Ravalomanana moa izany izao no ataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,