Niova ho Rodoben’ny mpanohana ho an’ny demokrasia eto Madagasikara raha toa ka Rodoben’ny mpanohitra teo aloha ny anaran’ny vovonana politika RMDM, raha ny fanambaràna nataon’izy ireo tetsy Bel’air omaly. Tsy ho toy ny fanaon’ny olona rehetra hita hatramin’izay nefa hoe manohana foana na mety na tsia, hoy izy ireo, fa manana ny fotokevitra ijoroany izay tsy hiovàny ny RMDM dia marina, rariny, hintsiny. Rehefa tsy mandeha amin’ireo ho an’ny tombontsoan’ny firenena dia ahintsinay. Mbola filamatra ny hoe «Ny fitiavan-tanindrazana no mampiray antsika!». Adidy, noho izany, ny fiarovana ilay mpitondra sy ny fitondràna mba tsy ho votsotra eo am-pelantanantsika izay nitolona. Misy ny ohabolana malagasy manao hoe «Afaka adidy amin’ny fatana». Fialàna nenina izay. Tsy ho afaka adidy amin’ny fitondràna mihitsy izahay. Tsy hiamboho adidy izahay fa hiatrika izany hatramin’ny farany. Andraikitra ny faharoa. Tsy mitady seza ny RMDM. Mametraka ny andraikitra ho tombontsoan’ny rehetra kosa izahay. Natao ho tombontsoan’olon-tokana ny seza fa ny andraikitra natao ho tombontsoan’ny rehetra. Maha be resaka izao ny praiminisitra vaovao. Betsaka ireo mampiseho tsy fahafaliana amin’io. Rariny ny tsy fifaliana amin’ny praiminisitra vaovao satria saro-piaro amin’ny tolona natao ny olona. Tsy tokony omena tsiny amin’izany ny olona. Mba tokony hisy ny fifampihainoana. Olan’ny mpitondra teo aloha ny tsy fahaizana nihaino ny hafa. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Tsy mety kosa nefa ny manao ny fomba rehetra hamotsorana ny fahefàna efa eo am-pelantanantsika. Tokony ho saropiaro amin’io fitondràna efa eo am-pelantanana io isika. Mazava ny hevitray tokony hiaingàna ao anatin’izao fitantanana vaovao izao. Tsy mety ny mitranga mihemotra toy io. Tokony mametraka rafitra mazava, ifanarahana isika. Io no tokony hitantanana ny firenena mba hialàna amin’izao fisavoritahana misy eto amin’ny firenena izao. Efa naterinay tany amin’ny FFKM sy ny filoham-panjakàna ny sosokevitray. Miantso hatrany ny rehetra ho tony ny RMDM. Manana namana mbola any am-ponja izahay izao, izay gadra noho ny hetraketraky ny sasany. Gadra any Talata Volonondry io ka angatahanay ny hamoahana azy satria resaka politika madiodio no namonjàna azy. Mbola any i Max Alvari amin’izao fotoana izao. Misy olona ohatran’ny tsy gadra politika nefa tafavoaka. Tsy maintsy mampiaka-peo amin’izany ny RMDM, hoy hatrany ny RMDM nampahatsiahy omaly.
J. Mirija