ny vidin-tsolika, hoy ny minisitry ny angovo sy akoran’afo, Olivier Jean Baptiste, ny sabotsy teo nanazava mikasika ny fampihenana ny vidin-tsolika tetsy amin’ny biraon’ny sampan-draharaha miandraikitra izany na ny OMH Behoririka. Fantantsika, hoy izy, fa maneran-tany dia manolotra sosokevitra mikasika izay tokony ho sandan’ny solika ao aminy izay ny fitondràm-panjakàna sasany saingy misy kosa ny fampiharana ny antsoina hoe «liberté de prix» na famelàna ireo kaompanian-tsolika hifaninana. Eto Madagasikara, ho fitsinjovana ny vahoaka ny fanjakàna foana aloha no mametraka ny vidin-tsolika eny amin’ny tobin-tsolika. Misy lafiny ara-toekarena tsy maintsy jerena foana nefa io. Tsy maintsy afarana avy any ivelany ny 100%n’ny solika ampiasaina eto amin’ny firenena. Miovaova nefa ny vidiny eo amin’ny tsena iraisampirenena. Na mametra aza izany isika dia tsy maintsy manaraka ny lafiny ara-toekarena. Raha tsaroantsika dia voatery nanao famatsiana na «subvention» misimisy foana ny fanjakàna. Rehefa manao izay nefa dia misy fiantraikany amin’ny fitondràm-panjakàna izany satria ireny vola ireny tokony azo ampiasaina amina sehatra hafa toy ny fanabeazana, fahasalamana, sosialy sy ny maro hafa. Manana ny praograma miaraka amin’ny FMI dia ny FEC na «Facilité élargie de crédit» sy ny FRD na «Fond pour la résilience et la durabilité» isika. Isan’ny fepetra napetrak’izy ireo ny hoe hatramin’izay ianareo tsy nanetsika vidin-tsolika saingy rehefa tonga ny faran’ny taona dia voatery mamatsy ireo kaompanian-tsolika. Lasa vesatra ho an’ny kitapom-bolam-panjakàna izany. Ny 6 volana faharoan’ny taona 2024, noho izany, no tokony efa nanomboka napetraka izy io fa noho ny lafiny pitsopitsony rehetra amin’ny fanomanana toy ny resaka tetiandro dia ity taona 2025 ity isika no hanomboka. Fanovàna voalohany io fanitsiana mandeha ho azy ny vidin-tsolika io. Tsara amafisina fa ny hoe «ajustement automatique des prix», izay iantsoana izany fanitsiana izany, akory tsy hoe miakatra foana. Miovaova tsinona ny tsena iraisampirenena. Indraindray miakatra dia indraindray midina. Isan’ny ikajiana azy ny famadihana ny vidiny avy any ivelany amin’ny Ariary, ankoatran’ireo sanda na «frais» amin’ny pitsopitsony samihafa na «logistique» hatramin’ny fanapariahana azy manerana ny nosy. Nisy fifampiresahana tamin’ny FMI tao. Nisy fifampidinihana teo anivon’ny governemanta. Mila mizatra fiovaovàn’ny vidin-tsolika izany isika izao fa efa tsy ara-toekarena intsony ny hoe tsy miova mihitsy ilay vidiny. Toy ny entana rehetra io, miovaova arakaraky ny zava-misy ara-toekarena, hoy hatrany ny tenany. Nampidinina, araka izany, ny vidin-tsolika fa omanina amin’ny fiovaovam-bidy ny vahoaka malagasy. Nomarihin’ity minisitra ity rahateo fa misy firenena ao anatin’ny andro iray no manovaova ny vidin-tsolika ao aminy. Misy aza ny sasany, hoy izy, arakaraky ny toerana ny vidin-tsolika ao aminy.
J. Mirija
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo