airtel

Politique

10-janv-2025

Naneho fa voasoketa sy rahonana ho faty

Nitory sy milaza tsy hihemotra ny CENI

Sample post image

Nanizingizina ny CENI omaly, fa nisy nanova ny sabotsy 21 desambra 2024 izay ampitson’ny namoahana

10-janv-2025

voka-pifidianana vonjimaika. Ny filazana fa nahoana no tafaverina amin’ny CENI ny tranonkala, dia tsy vita ny tanjona raha « bloqué » ny tranonkala satria ny tanjona dia ny voka-pifidianana tao no nalaina, ary novaina dia naverina tao. Nilaza ho niantso manam-pahaizana nijery ny CENI, ka nanamarina fa nisy fidirana avy any ivelany na « piratage externe ». Tsy ny olona rehetra no tafiditra ao anatin’io tranonkala io. Nolazazaina fa tena nisy ny « piratage » tamin’ny tranonkalan’ny CENI. Nilaza anefa ny CENI, fa tsy niantso « observateur » ivelan’ireo manam-pahaizana ao anatin’ny CENI sy ireo nantsoiny mba hanamarina an’izany, dia tsy nisy, ka nilazan’Atoa Tseheno Rakotondrasoa fa mba misy asa mba tsiambaratelo ao amin’ny CENI. Ny samy tao amin’ny CENI sy izay nifandray taminy ihany izany no nikirakira sy nijery ny fisiana « piratage ». Andaniny, ny Antoko TIM dia efa naneho tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Rina Randriamasinoro, fa amin’izy ireo dia mety nisy voka-pifidianana roa tao ka ny iray mandresy ny kandidan’izy ireo ary ny iray mandresy ny kandidam-panjakana, tahaka ny niseho tamin’ny antsapaky ny fifidianana filoham-pirenena hoe : tsy tao anaty lisitra hanaovana antsapaka i Andry Rajoelina fa teo vao nampidirina. Nolazaina ihany koa fa namafy lainga ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro izay solombavambahoaka, izay nazava ny teniny fa nitory an’i Jean Luce Randriamihoatra ny CENI, ka ny taratasy izay nosoniaviko dia «plainte contre x ». Mino aho, tsy solombavambahoaka no tokony hampianarina izany fa mahay lavitra noho izahay izy iny, fa mety entin’ny tendri-po tsy mba namana na mety miteniteny foana, hoy hatrany i Tseheno Rakotondrasoa toa namely mivantana hatrany ny TIM. Ity tompon’andraikitra ny CENI ity izay tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa rahalahin’ny depiote Fetra Rakotondrasoa depiote miara-dia amin’ny Fitondrana. Nanitrikitrika ny CENI fa fandikan-dalàna io resaka « piratage » io, tsy fantatra izay tena nanao, ka anjaran’ny mpanao fanadihadiana sy mpanao famotorana no nitady an’izay. Ny anjaran’ny CENI dia nitory. Fitoriana faharoa hafa ihany koa ny fanaratsiana, fanasoketana, fitenenan-dratsy, fandrahonana olona teo anivon’ny CENI, izay nanaovana fitoriana olon-tsy fantatra na « plainte contre x ». Nilaza ny CENI fa misy mpiasa tratry fandrahonana ho faty. Andrim-panjakana manana ny maha izy azy, mandamina ny fifidianana ny CENI, ka tsy ekenay izany fanasoketana tsy amin-drariny sy tsy misy fototra eny amin’ny tambajotran-tserasera ireny, ny alàna 2014-006 manenjika ny heloka an’habaka no ifotoran’ny CENI ary tsy hihemotra mihitsy izahay, hoy ny Tale misahana ny lalàna eo anivon’ny CENI Rtoa Randriamahanina Nohandandy Irasoa. Mahatoky ny CENI ho manao ny marina sy ny rariny ve ny rehetra ?
Toky R
Légende : Ny Tale misahana ny lalàna eo anivon’ny CENI Rtoa Randriamahanina Nohandandy Irasoa

 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap