airtel

Politique

18-févr-2026

Nesorina ny zo tsy azo henjehina

Ifampitadiavana i Augustin, handeha ireo dosie maro…

Sample post image

nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Birao maharitry

18-févr-2026

ny Antenimierampirenena nanaisotra ny zo tsy azo henjehina na ny « immunité parlementaire » an’ny depiote Augustin Andriamananoro, araka ny fampahafantaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly. Nambaran’io filohana andrim-panjakana io fa nanaraka ny pitsopitsony araka ny lalàna ny dingana, ary tamin’ity farany ity nanatrika izany ny Filoha lefitry ny antenimierampirenena avy amin’ny mpanohitra Milavonjy Philobert, izay nambarany fa IRMAR hiringingririny. Ny depiote Augustin Andriamananoro moa voalaza fa karohina nanomboka ny faramparan’ny herinandro teo noho izy ahiana ho manohintohina ny filaminana anatin’ny Fanjakana sy mikasa hitarika korontana (Atteinte à la sureté intérieur de l’Etat et tentative de destabilisation. Nohadihadiana ny tranony, saingy tsy hita izy. Raha toa ka nisy ny fisamborana sy fanadihadiana an’Atoa Vy Vato Rakotovao, Yvon Randrizanakolona (Sareraka), dia tsy fantatra mazava ankehitriny ny misy an’i Augustin Andriamananoro hoe : tafaporitsaka any ampitan-dranomasina ve ? Mialokaloka amina masoivoho vahiny ve ? Any amin’ny namany na fianankaviana ve ? Isan’ireo olona tena akaiky an’i Andry Rajoelina ny tenany nanomboka 2009, isan’ireo tratry ny fiampangana ho nanongotra sy nangalatra « émetteur » ana haino aman-jery tsy miankina tamin’ny raharaha 2009, efa Tale Jeneralin’ny OMERT, efa minisitry ny paositra sy fifandraisan-davitra, minisitry ny serasera, depiote IRMAR. Isan’ireo iraka tany Iran tamin’ny fihanianan’ny Filoha Iranianina, voarohirohy ho nanafina an’ilay karana mpitantana ny orinasa Udaan aviation izay Khuswinder Signh voasaringotra tamin’ny afera boeing 777, ary tafiditr’ireo lisitry ny orinasan’i Mamy Ravatomanga ilay orinasa avy eo rehefa nivoaka ny lisitr’ireo orinasa giazan’ny Maorisinina. Ny volana oktobra 2025 no efa nisy ahiahy, ka nisian’ny iraka nataon’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny fonenany teny Faliarivo Ampitatafika, izay nampiaka-peo azy tamin’izany. Nangina taorian’iny ny momba azy, raha toa ka nipoaka ny dosie Marie Michelle Sahondrarimalala izay voarohirohy ho nitazona vola amina miliara sy nikononkonona fanakorontanana, ka nisy olona 12 hafa voarohirohy niaraka taminy. Antony nampidoboka am-ponja an’io depiote io, taorian’ny fanesorana ny zo tsy azo henjehina sy ny fahazoan-dàlana amin’ny maha mpitsara ambony manana grady voalohany azy.
AHOANA IREO HAFA ?
Nanamafy moa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, fa ny fanapahan-kevitra raisina eto amin’ny Antenimierampirenena dia tsy maintsy manaraka ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy manadihady sy mandinika tsara vao manapa-kevitra, tsy maintsy misy taratasy avy any amin’ny Fitsarana. Nisy fanenjehana ny Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle izay lazaina, hoy izy, fa tsy ara-dalàna, saingy ny zavatra tonga teo aminay dia nisy famoaham-bola tsy mifanaraka amin’ny lalàna, fampiasana taratasim-bola tsy ara-dalàna, misy sonia telo izay hatramin’ny PRMP dia izy ihany no nanasonia azy,... Raha tsiahivina, volana vitsivitsy lasa izay no nilazan’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo fa manodidina 100 ireo dosie efa nanaovana fanadihadiana, ka heverina fa anisany itony. Mbola maro noho izany ireo andrasana ka asa hanao ahoana ireo hafa toa ny an-dry depiote Lanto Rakotomanga izay efa nipoitra, Tinoka Roberto izay betsaka ny raharaha nahavoatonona azy fony Minisitry ny fitaterana, Rafidimanana Désiré isan’ireo nisetrasetra sy nampiasa « gros bras » ary malaza ratsy amin’ny resaka volan’ny tsena teto Antananarivo tamin’ny alalan’ny fametrahany ireo olony,… eny fa na ny an’i Andry Rajoelina izay efa nesorina tsy ho Malagasy aza saingy azo henjehina noho ny heloka nataony,… ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap