Manomboka somary miova ny fomba firesaky ny olona ambony manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Anisan'ny naneho an-karihary ny Filohan'ny CENI Dama Arsène raha nanao fandaharana manokana tamin'ny fahitalavitra fa mijaly jiro sy rano koa ny Vaomiera CENI, ary miombon-kevitra tanteraka amin'ny fitakiana ataon'ireo tanora anatin'ny GEN E mitolona ho an'ny fiverenan'ny fisitrahana ara-dalàna. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena mifandraika amin'ny fifidianana, ny fanagadrana olona, miantso ny fanapahan-kevitra hentitra avy amin'ny filohan'ny Repoblika ny filohan'ny CENI, ary tokony hiatomboka amin'ny famotsoran-keloka izany, hoy izy. Marihina fa olona 3 ankehitriny no migadra momba ny rahararam-pifidianana, anisan'izany i Randriamihoatra Jean-Luce, izay voaheloka higadra 3 taona an-tranomaizina noho ny filazana azy ho niditra an-tsokosoko tamin'ny tranonkalan'ny CENI. Mampametra-panontaniana hoy izy hoe fa maninona no amin'ny fotoana akaiky fifidianana no navoakan'ny fitsaràna ny didy manameloka an'i Jean Luc Djavojozara izay lany ben'ny tanàna ao Diego, sy i Mahavitara Sylvestre izay lany depiote ao Vangaindrano. Nampiakatra ny fahasosorana ireny ary mety ho nalefaka kokoa ny toe-draharaha any Diego, Vangaindrano,... raha tena nohajaina ny safidim-bahoaka, raha ny firesaky ny Filohan'ny CENI. Tokony homena famontsoran-keloka ireo olona nogadraina ka manan-draharaha amin'ny fifidianana, hoy hatrany ny Filohan'ny CENI. Mikasika ny fangatahana fialàn'ny Filoha kosa, tokony hirosoana ny fifampiresahana an-databatra boribory, hoy ity olona ambony ity. Milaza fa ilaina ny dinika an-databatra boribory manoloana ny tranga eto amin'ny firenena satria toa mivaona ny fitakiana izay atao ankehitriny. "Jiro sy rano no takiana kanefa toa miafara amin'ny firesahana ny andraikitry ny CENI izany?", hoy ny filohany. Nilaza fa tsy manana olana amin'ny fandravana ny CENI izy ireo raha toa ka izay no tapaka amin'ny lalam-pifidianana vaovao izay andalam-panavaozana. Momba ny fifidianana loholona, ahemotra ny fanokafana ny fandraisana ny antotan-taratasy ho an'ny Kandida. Mahasorena mihitsy hoy izy hoe mbola tsy tonga foana ny tetibola ikarakarana ny fifidianana hatramin'izao. Nanambara ho tsy manana olana amin'ny filatsahan'i Marc Ravalomanana ho loholona saingy tsy ny CENI no manome ny taratasy manamarina ny fandoavan-ketra. Ity farany izay afaka nirotsaka ho Filoham-pirenena tamin'ny 2018,2023,... saingy nosakanana rehefa nikasa hirotsaka Ben'ny tanana teto Antananarivo ny 2024. Na tiana na tsy tiana, misy dian-tanan'ny CENI sy ny HCC ny krizy politika lalina ankehitriny, izay isan'ny fositra ny fifidianana tsy madio. Fitoriana an'arivony saika tsy misy azo noraisina kanefa saika mpahay lalàna avokoa no namolavola an'ireny,... Aty aoriana vao mody mifanome tsiny?
Toky R