Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omalymy 10 desambra 2025 ny Fikaon-doham-pirenena na "Concertation Nationale", dingana manan-danja amin’ny fanorenana indray an’i Madagasikara. Ity dinika ity dia valin’ny fitakian’ny vahoaka, indrindra ny tanora, mikasika ny olana sosialy, fitsarana tsy mitanila, fifidianana, kolikoly, toekarena, mangarahara,... Tanjona lehibe ny hamerina ny fitokisam-bahoaka sy hanangana Fanjakana marina, amin’ny alalan’ny fifidianana azo itokisana sy ny famindram-pahefana ara-demokratika ao anatin’ny 24 volana raha ela indrindra. Miorina amin’ny lalan-tsaina mazava sy andry fototra telo ny fanavaozana: mamaly ny hamehana amin’ny famahana avy hatrany ny olana andavanandro toy ny delestazy, tsy fandriampahalemana, ary fidangan’ny vidim-piainana. Manavao ny rafitra amin’ny alalan’ny fanovàna lalina ny fitantananam-pirenena sy fampiharana ny fahefana akaiky ny vahoaka; ary miantoka fifidianana mangarahara. Ny fahombiazana dia miankina amin’ny fanajana ireo soatoavina fototra: fifanajana, fihavanana, fiaraha-mientana. Tsy maintsy miaro ny hasin’ny vahoaka tsirairay ny fahefam-panjakana, ary andraikitry ny rehetra: Fanjakana, Vahoaka, Sehatra tsy miankina,...
FANJAKANA TAN-DALÀNA
Manoloana ny kolikoly izay fahavalo voalohan’ny firenena, dia apetraka ny politika “zéro tolérance”. Ny asa vita amin’ny fahamarinana sy ny fikirizana irery ihany no vahaolana entina manatanteraka ny fanavaozana. Hampiharina ihany koa ny fanarahamaso tanteraka amin’ny alalan’ny famoronana lasitra fampitahana nasionaly momba ny fanarenana, havaozina isam-bolana ary azo jeren’ny vahoaka. Ny tanjona dia ny hananganana Fanjakana marin-toerana, toekarena mamokatra sy ara-drariny, amin’ny alalan’ny famoronana asa mendrika sy maharitra ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Anisan’ny zava-dehibe amin’ity Fikaon-doham-pirenena ity ny fahatongavan’ny herivelona samihafa: avy amin’ny sehatra politika, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ary avy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Ity fahatongavana iombonana ity no manome hery sy lanja manokana ho an’ny dinika, satria maneho fa tsy tetikasan’olona tokana na vondrona tokana, fa fihetsika iarahan’ny firenena manontolo. Ny fahasamihafan’ny herivelona tonga dia porofo fa misy finiavana iombonana hanangana Fanjakana vaovao, mirindra sy maharitra.
TSY RAHARAHAN'NY FFKM SAMIRERY…
Tsy tonga nanatrika ny fanokafana ny Fikaon-doham-pirenena ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michael, sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo noho ny fandaminana nataon’ny fahefana mpanatanteraka, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa omaly. Natao izany, hoy ity farany, mba hampisongadinana ny minisiteram-panjakana misahana Fanavaozana izay tarihin’ny Minisitra Hanitriniaina Razafimanantsoa. Notsindriany mazava tsara fa raharaham-panjakana, ao anatin’ny fitondrana fanavaozana ny Repoblika ny Fikaon-doham-pirenena fa tsy raharahan’ny FFKM samirery. Mbola ho avy ny Raiamandreny ara-drazana, ny GEN Z, ny Musulman, sy ireo herivelona hafa, raha ny filazan'io Mpitondra tenin'ny governemanta io. Toky R