airtel

Politique

07-mai-2025

Nisokatra ny fivorian’ny antenimiera

Tsy misy antenaina ! Saribakoly no maro an’isa

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany Talata 6 Mey 2025

07-mai-2025

ny fivoriana ara-potoana voalohany an’ny Antenimierampirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Ity fivoriana ity no manome fahafahana ireo solombavambahoaka hiara-hidinika sy handray fanapahan-kevitra amin’ireo sehatra lehibe toa ny politika, ny toekarena, ny fiaraha-monina ary ny resaka lalàna. Haharitra 60 andro, ka isan’ny lohahevitra goavana hodinihina ao anatin’izany ny fanitsiana ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025, na ny "Loi de Finances Rectificative" (LFR 2025). « Ny andrasan’ny vahoaka amin’izao, ankoatra ny fanatanterahana ireny fifanarahana maro voasonia ireny, dia ny fahadioavana sy fahadiovan’ny tanàna eto Antananarivo izay efa natomboka tamin’ny fandraisana ny COI. Mamporisika ny governemanta sy ny tompon’andraikitra samihafa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana mampitaraina ny vahoaka, fahatapahan-jiro amin’ny toerana sasantsasany. », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin. Tena ny toerana sasantsasany tokoa sa ny rehetra no lasibatry ny delestazy ? Nasiany resaka ihany koa ny tokony hadinihina sy handraisana fepetra mba hampihenana ny fiantraikan'ireo olana ateraky fepetra sy ady amin’ny lafiny ara-barotra ataon'ny firenena any ivelany. Tena misy antenaina ve anefa ao Tsimbazaza eo anatrehan’ny fifampitsabahana ankolaka na mivantana eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy fahefana mpanatanteraka ? Manao lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary manao tombana ny politikam-panjakana ny antenimierampirenena araka ny andininy faha-81 amin’ny lalàmpanorenana fa moa tsy fiarovana an-jambany ny fahefana mpanatanteraka ve no mitranga eto ? Betsaka ireo fanapahan-kevitra mifanipaka amin’ny tombotsoam-bahoaka, mifanipaka amin’ny fitsinjaram-pahefana toy ny fangoronan’ny fanjakana foibe ny hetran-tranon’ny kaominina (IFPB) sy ny hetran-tany (IFT) fa tsy maharototra ny depiote sy laniany ny lalàna momba izany. Ny antenimierandoholona andaniny no mpiahy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana dia ny kaominina, saingy anarany fotsiny, tsy iaro ! Adihevitra ary ahiana hampidi-doza amin’ny tany sy ny fambolena eto ny bizina amin’ny fampidirana vary safiotra sinoa sy zezika simika hanokanana volabe manodidina ny 600 miliara Ar isan-taona fa tsy maharototra ny solombavambahoaka indrindra fa ireo avy amin’ny antokon’ny fitondrana. Mbola solombavambahoaka ve no iantsoana an’izany ? Misy moa ny fitakiana « face à face » na fifanatrehana amin’ny governemanta izay fotoana naharitra tsy nisian’izany intsony ka asa indray izay hiseho amin’ity ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap