airtel

Politique

28-mai-2024

Nopatahin’ny kandidam-panjakana ny lalana

Fitohanana tsy nifankahitana tetsy Anosibe

Sample post image

Nampiteny ny moana ny fitohanana niala teny Anosy niazo an’Anosibe omaly Alatsinainy 27 May hariva nanomboka tamin’ny 05 ora.

28-mai-2024

Tapaka tanteraka mantsy ny lalana nivoaka an’Anosizato. Nahatratra ora iray ny fiara sy ny moto vao tafavoaka teo amin’ny sampanana niazo an’i Namontana notronin’ireo taxi-bisikileta marobe. Antony nahatonga izany ny fanapahan’ny kandidam-panjakana iray ny lalana. Novonoina mihitsy ny arabe iray nanangana trano nanaovana lanonana famaranana ny propagandy sy nampifalifaliana vahoaka. Ny tena nahavariana ny maro dia nambenana mpitandro ny filaminana mihitsy izany. Nahatsiaro nijaly fatratra ireo mpampiasa lalana. Fiara sy moto ary bisikileta an-jatony mantsy no mifamezivezy amin’iny lalana iny rehefa fotoana firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra tahaka ireny. Tsy milamina ny fitohanana isan’andro raha tsy amin’ny 07 ora hariva any ho any nefa vao mainka notapahina indray ny lalana. Ry zareo tokony hampianatra hanara-dalana indray araka izany no tsy nanara-dalana. Mety ho tahaka ny ahoana re no nitranga raha kandida tsy miankina na any amin’ny Vovonana firaisankina no nanapa-dalana tahaka ireny teto an-drenivohitra e ?
Pati
Legende : Voabahana tahaka izao ny arabe
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap