notapahan’ny Fitondrana Rajoelina fa tsy maintsy aloan’ny lisitra iray izay hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra izao. Nanamafy an’io ny governemanta tamin’ny alalan’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Mara Donna omaly. Hisokatra manomboka ny 9 oktobra 2025 amin’ny 9 ora maraina, ary hifarana ny 23 oktobra amin’ny 5 ora hariva. Hamoaka ny lisitra raikitra an’ireo kandidà nahafeno fepetra ny CENI, ao anatin’ny 60 andro mialoha ny daty voatondro hanaovana ny fifidianana. Bileta tokana no hampiasaina. Hanomboka ny 9 novambra ka haharitra hatramin’ny 9 desambra 2025 ny fotoana hanaovana propagandy. Ireo fepetra ireo, hoy ny minisitry ny Serasera, dia natao hanamafisana ny filaminana sy ny fahitsiana eo amin’ny dingana ara-pifidianana. Tena mbola ilaina ve ny fifidianana ao anatin’izao kianja politika maloto samihafa izao ? Tsy aleo ve tonga dia tendrena ireo loholona ? Raha ny sarisary politika ankehitriny, sarintsarim-pifidianana sisa indrindra fa ny fifidianana loholona raha io zava-misy io. Ny mpifidy vaventy tsy ampy ny avy amin’ny Faritra sy ny Faritany, ny fifidianana ben’ny tanàna saika nanaovana amboletra sy betsaka ny kajikajy politika nanomezana vahana ny volomboasary,… Inona no fanazavana sy porofo hanamariana ny fakana volabe 60 tapitrisa isaky ny lisitra ? Tsy mitombona sy midangana raha hanontana bileta, lafo loatra miohatra amin'ny isan'ny mpifidy vaventy. Mamofona fanilihana kandida hatray, ka ho lasa « institution des corrupteurs » na andrim-panjakan’ny mpanao kolikoly satria tsy maintsy hamerim-bola izay tafiditra ao ? Ireo mpifaninana hafa no mety kendrena. Ny volomboasary no manana ben’ny tanàna maro an’isa izay mazava ho azy, fa handeha araka izay ny fahazoana toerana, saingy heverina fa mety hisy ihany koa ny mpifaninana hafa, toy ny eto amin’ny Faritanin’Antananarivo. Azo adika ho fitohizan’ny fihantsiana politikan’ny Fanjakana Rajoelina ka izay sahy miditra, izay tsy sahy mikisaka, fa izy ireo aloha no eo. Tsapa ho mangina ny mpanohitra hatreto…
TSY NATAO HO AN’NY MANAN-KEVITRA FA HO AN’NY MPANAM-BOLA
Ny fifidianana Filoham-pirenena nakarina avo efatra heny, ka 200 tapitrisa Ar no natao antoka, nivoahan’ilay tenin’i Andry Rajoelina fa hanivanana ireo kandida « farfelus » io. Ny an’ny depiote nakarina 10 tapitrisa Ar, ny ben’ny tanàna 1,2 hatramin’ny 20 tapitrisa Ar. Nentina nangoronana vola ny fifidianana dia natao aiza sy natao inona ny volan’ireo tsy nahazo 10% ? Mihalalina ny tsy fitovian’ny herijika satria tsy natao ho an’ny manan-kevitra sy manana vina fa ho an’ny mpanam-bola,… Manalavitra hatrany ny demokrasia ! Tena mbola misy fifidianana madio sy azo antenaina ve amin’izao zava-misy izao ? Tena hitondra fahamarinan-toerana ara-politika sa vao mainka làlana mizotra makany anaty krizy politika lalina ?
Toky R