airtel

Politique

03-nov-2025

Oniversiten’Antsiranana

Hatsaraina ny trano fonenana,

Sample post image

tsy ho ela herinaratra sy lavadrano

03-nov-2025

Nidina ifotony any amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ny Minisitra misahana ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa ary ny Minisitra misahana ny Fahasalamam-bahoaka, manoloana ny toe-draharaha niseho teny an-toerana. Isan’ireo nandray azy ireo teny an-toerana ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, Ibrahim Issa Charles, Ramatoa Tsirinary Hermine Jahda, Lehiben’ny Prefektiora, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nivoitra fa tena marary sy sahirana ny mpianatra ao amin’ny faritanin’Antsiranana. Nilaza kosa ny Minisitra misahana ny Fampianarana Ambony fa efa an-dalam-pijerena ny fanavaozana sy fanatsarana ny trano fonenan’ny mpianatra ny fanjakana. Efa ao anatin’ny dingana fisivanana ny orinasa mpanatanteraka izany tetikasa izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny asa fohy ezaka ho tanteraka amin’ity herinandro ity ny fametrahana “panneaux solaires” 20MW hamahana ny olan’ny herinaratra, ary hanomboka tsy ho ela ny “forage” hahafahana misitra rano madio. Mahakasika ny vatsim-pianarana roa volana, vinavinaina hivoaka afaka telo herinandro izany. Nilaza ny Mpanolotsaina Avo, Kolonely Lucien Rabearimanana, fa mihaino sy mandray ny fitarainan’ny mpianatra ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Notsindriany anefa fa ilaina ny fanajana fitsipika sy ny fitandremana amin’ny toe-draharaha toy izao, satria maro ireo mety hanararaotra. Mitohy hatrany ny fanadihadiana, ny fandrindrana, ny fanaraha-maso ary ny fiarovana ny Oniversite, ny mpianatra, ary ny vahoaka manodidina.
HERISETRA SY FANAFIHANA
Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana manamanjo tao Lazaret Nord ireo tompon’andraikitra, ary efa miroso amin’ny fanafahana ireo voatazona an-keriny amin’izao fotoana izao. Nofenoina mpitandro filaminana ny manodidina ny Cité, ary noraisina ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina amin’ny faritra manodidina ny Campus Universitaire, indrindra ao amin’ny Fokontany Lazaret Nord sy Lazaret Sud, manomboka amin’ny 08 ora alina ka hatramin’ny 04 ora maraina, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

daholo ny mpitondra teto hatramin’izay »

Card image cap
15-déc-2025

Mitondra sosokevitra hanatsaràna ny

Card image cap
15-déc-2025

Hanao fihaonambe voalohany

Card image cap
15-déc-2025

Raha nilaza ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny

Card image cap
15-déc-2025

Mila ezaka amin’ny fangaraharahana sy fanaporofoana ny fanovàna…

Card image cap
15-déc-2025

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra mikasika

Card image cap