airtel

Politique

21-mai-2024

Patrick Raharimanana

Nitohy ny fitazonana, halentika sa hafahana ?

Sample post image

Nitohy ny andron’ny alahady sy alatsinain’ny pantekoty ny fitazonana sy fanaovana andrimaso na « Garde à vue »

21-mai-2024

an’i Patrick Raharimanana, izay nampanantsoina sy notazonina teny amin’ny Sampam-pikarohana mikasika ny heloka bevava na ny SRC tetsy Fiadanana nanomboka ny alakamisy 16 mey, ary nafindra teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy indray nanomboka ny sabotsy lasa teo. 48ora ihany no fe-potoana hahafahana mitazona olona eny anivon’ny mpitandro ny filaminana raha ny voalazan’ny lalàna, saingy nisy izany ny fanalavana izany. Manamboninahitra iray no voatazona miaraka aminy, ary mbola misy olona hafa voalaza fa karohina any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Raha hiverenana, famoahana tamin’ny Facebook ny "Agenda" fandaharam-potoanan'ny filohan’ny Repoblika, mitety Distrika telopolo mahery hatramin'ny 27 may 2024 no nanaovana fanadihadiana azy izay nitohy amin’ny fanaovana azy "Garde à vue". Hatreto, tsy mbola misy olon’ny Fiadidian’ny Repoblika izay heverina fa tena nanao tsirambina ka nivoahan’ity ambara fa dosie saropady voasaringotra, raha ny fikaroham-baovao momba ity raharaha ity. Andaniny, tsy afaka nankalaza ny Pantekôty niaraka tamin’ny fianakaviany kosa ity zanaky ny fiangonana katolika ity. Mpino katolika hiringiriny i Patrick Raharimanana, izay tsiahivina fa nitarika ny tanora katolika nikarakara ny fitsidihan'ny Papa Jean Paul II ny taona 1989 i Patrick Raharimanana. Ara-pianankaviana, taona niavaka ho an'ny fiainan-tokantranony ny 2024, satria mifanandrify indrindra amin’ny tsingerintaona nanamasinana ny mariaziny ity 19 may alahadin’ny pantekôty teo, saingy sambany i Patrick Raharimanana no tsy afaka nankalaza izany ampifaliana niaraka tamin’ny vady andefimandriny, ity farany izay vao tonga eto an-tanindrazana ny alin'ny sabotsy 18 may 2024, niomana hiara-hankalaza aminy izany tsingerintaonan'ny mariazin'izy ireo izany, arahin'ny tsingerintaona nahaterahan'izy ireo ihany koa saingy zavatra hafa no nitsena an-dramatoa amin'izao fahatongavany izao. 21 taona lasa toy izao ihany koa, hoy ireo mahalala ity fianakaviana Raharimanana ity no nisamboran'ny fanjakana tamin’izany sy nampidirana am-ponja an'i Zokibe Venance Raharimanana, rain'i Patrick Raharimanana noho ny resaka politika. Andrasana ny tohiny amin’ity herinandro ity hoe : hafahana ve i Patrick Raharimanana sa halentika noho ny zavatra heverina fa tsy tena niankina taminy fa fikaroham-baovao sy fizarana vaovao ihany no heverina ho nataony amin’ny maha mpikirikira vaovao azy ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap