ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo i Patrick Raharimanana, Filoha mpanorina ny Antoko Vitantsika io, efa kandida Filoham-pirenena tamin’ny taona 2011. Injeniera ny tenany, nahazo ny diplaomany tao amin’ny Ecole Polytechnique Vontovorona izy tamin’ny 1989 ary tao amin’ny Inscae tamin’ny 1990. Nanaraka fiofanana maro ihany koa izy, na teto Madagasikara na tany Etazonia, Alemaina ary Frantsa, raha ny voarakitry ny lahatsoratra an-gazety iray ny taona 2018. Niakatra tsikelikely tamin’ny sehatra samihafa izy, nanomboka niasa tao amin’ny Jirama Mandroseza tamin’ny 1989, ka tompon’andraikitra momba ny kalitao no niantsorohany. Tamin’ny 1990 dia lasa « attaché de direction » tao amina biraona Expert Comptable i Patrick Raharimanana, raha ny voasoratra hatrany. Nandray andraikitra avy amin’ny maha-mpandrindra tetikasa ka hatramin’ny maha-tale mpanatanteraka. Niala ny firenena izy tamin’ny 2003 mba ho lasa tale mpitantana fivarotana fiara tany Frantsa, ary avy eo lasa manampahaizana momba ny fitantanana orinasa,... Fantatra ihany koa amin’ny resaka fizaram-baovao sy famakafakana samihafa ny tenany. Isan’ireo lasa sesin-tany politika tao anatin’ny fitondrana Rajoelina farany teo, ary izao tafody sy nampiandraketina toerana stratejika izao. « Mankasitraka ny Filoham-panjakana Colonel Michaël Randrianirina, sy ireo mpanolo-tsaina manokana efatra mirahalahy, miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy avy. Misaotra ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, nanome fitokisana ny tenako, hiandraikitra ny asa mavesatra nankininy amiko. Misaotra ireo Minisitra ao anaty Governemanta. Mirary soa ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Primature. Manome toky antsika Malagasy, fa hijoro, ary anao izay asa nankinin'ny Firenena amiko. Mahatsiaro manokana ireo fianakaviako, tsy mitsahatra manohana ao anatin'ny fahanginana. Tsy kely nefa farany, misaotra an'Andriamanitra nanome fahasalamana sy tombon'andro anompoana ny Firenena. », hoy i Patrick Raharimanana omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera, nampahafantatra ny fanendrena azy.
Toky R