airtel

Politique

20-févr-2025

Paul Rabary

«Anjarantsika no mijery fiaraha-miasa tsara atao amin’ny amerikanina!»

Sample post image

Milamina ny tany, raha ny lafiny politika eto amin’ny firenena ankehitriny no jerena, hoy ny

20-févr-2025

filohan’ny antoko politika Ny Fireneko sady mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Misy adihevitra politika izay tsy mety tapitra ireny, hoy izy, amin’ny maha adihevitra politika azy. Tsy hita hoe tokony ho taperina koa ve? Vita soa aman-tsara ny fifidianana ben’ny tanàna. Misy ny mbola adihevitra eny anivon’ny fitsaràna tampony sy ny filankevim-panjakàna dia mandeha araka ny lalan-jotra ara-dalàna sy ny rafitra misy eto Madagasikara ny mety fitoriana na tsy fanekena izay fanapahan-kevitry ny fitsaràna miady amin’ny fanjakàna na TAF izay. Izany akory tsy midika hoe tsy mandeha ny raharaham-pirenena. Ny fahasahiranana mandalo tahaka ny fiakaran’ny rano ankehitriny akory tsy hoe hiakatra mandrakizay io rano io ka ho difotra rano eto i Madagasikara. Fotoanan’ny fahavaratra izao dia anjaran’ny tomponandraikitra rehetra mifandraika amin’izay no miezaka mitondra vahaolana ao anatin’izay. 1697 no isan’ny kaominina eto Madagasikara ka raha misy kaominina miisa 10 na 20 mety misy olana kely dia fomban-javatra daholo izany. Raha kaominina miisa 1697 kosa no mikorontana ambony ambany dia izay no hoe mivoana amin’ny tsy izy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Anaty adihevitra daholo izany ary misy fanapahan-kevitry ny fitsaràna izay mety tsy ho azon’ny vahoaka. Ny raharaha politika nefa tsy azo atao eny an-dalambe foana satria misy fetrany ny eny an-dalambe. Ny fifidianana faran’ny taona 2023 ny antoko Ny Fireneko no nanomboka nanohana ny fitondràm-panjakàna. Izany hoe vao herintaona izay. Tsy nanohana azy izahay tamin’ny fotoam-piasany voalohany satria isan’ny nirotsaka ho fidiana. Ny fotoam-piasan’izao fitondràna izao faharoa ity, noho izany, no hamaritanay azy hoe nanao ahoana? Averinay foana nefa ny hoe tsy dia tena mikaonty ny hevitray anatin’ilay izy satria antoko politika kely izahay fa tsy dia tena hoe antoko matanjaka. Ny vahoaka no tena mitsara amin’ny alalan’ny fifidianana. Mila fanavaozana politika ny fanoherana fa raha izao «dynamique» na hetsiky ny fanoherana izao aloha dia tsy hisy fifandanjàn-kery eto amin’ny firenena raha izay no fanantenana. Hisy fiantraikany eto ve ny politika iraisampirenena tahaka izay miseho ao Etazonia dia hoy aho hoe tsy misy olana any satria nahazo filoham-pirenena vaovao izy, manana ny politikany fa isika no zatra mangataka lava fa tapahan’ny olona ny volany dia anjarany izay fa ny anjarantsika dia mitady vahaolana amin’ny alalan’ny fitadiavana famatsiana na famatsiam-bola hafa. Tsy ny politikan’ny filoha amerikanina mihitsy no andeha hampitomany antsika satria firenena azy io. Azy ny volany dia anjarantsika koa no mijery ao anatin’izay hoe inona no fiaraha-miasa tsara atao any? Anjarantsika no mijery fiaraha-miasa tsara atao amin’ny amerikanina! Hita ho mitady lalam-barotra any amin’ny firenena arabo sy sinoa moa io ny filoham-pirenena malagasy ka inona moa no maha diso izany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap