airtel

Politique

14-janv-2026

Paul Rabary

«Misy antony matoa ny filoha Zafy

Sample post image

ihany no tsy naongan’ny arabe!»

14-janv-2026

65 taona no nahazoantsika fahaleovantena, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary. Efa nihoatra ny 10 no isan’ny fitantanana maha filoham-pirenena nifandimby, hoy izy. Miisa 9 ireo filoham-panjakàna. Tsy lazaina intsony ny praiminisitra sy minisitra. Nandramana daholo ny fitondràna ny Profesora, ny miaramila, ny mpahaitoekarena, ny mpandraharaha, ny DJ fa mbola toy izao ihany isika. Toy izany koa ny fiaraha-miasa tamin’ireo firenena ivelany tahaka ireo tandrefana toy ny frantsay. Teo koa ny tatsinanana toy ny sinoa sy rosianina. Nandramana ny fitantanam-bola tsy nisy tahabola niovaova dia nandramana indray avy eo ny mifamadika amin’izay fa tsy nitsaha-nitotongana ny sandam-bola malagasy. Raha 50Fmg ny 1FF taloha dia manodidina ny 5000 Ariary izao ny 1Euro. Ny tsy niova hatramin’izay nidiran’i Madagasikara tamin’ny repoblika izany izao dia ny rafitra. Ny taona 1958 no nitsangana ny repoblika dia nanangana ny antoko politika AKFM na Antokon’ny kaongresy ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara tany Toamasina ny Pasitera Andriamanjato Richard satria tsy nifanaraka tamin’ny heritreriny ny lalana andehanan’ilay repoblika. «Etat unitaire centralisé» na fanjakàna ivangongoana fahefàna ao an-drenivohitra foana no nisy. Rafitra nolovaina tamin’ny frantsay io. Frantsa sy ireo zanataniny ihany no misy an’io satria taorian’ny revolisionin’ny 1789, izay nanapahan’ny frantsay ny lohan’ny mpanjaka Louis 16, dia nitsangana i Napoléon Bonaparte nametraka an’io rafitra. Izay no mahatonga ny fipetrahan’ny atao hoe prefektioran’ny polisy izay mifehy ny fihetsiketsehana anaty firenena. I Napoléon Bonaparte no nanaparitaka ny ampahana fahefàna manerana ny faritra rehetra tao Frantsa. Mifanandrify amin’izay ny fahefàn’ny atao hoe prefe na lehiben’ny distrika. Tsy nandramantsika mihitsy ny nanolo izay fahafahan’ny filoham-pirenena manaparitaka fahefàna arakaraky ny nahim-pony izay. Ny zava-nisy tsy niova ihany koa afa-tsy ny taona 1993 hatramin’ny 1996, izay fotoana nitondràn’ny Pr Zafy Albert, dia ny fitondràn’ny filoham-pirenena na «régime présidentielle». Ny fitondràn’ny Pr Zafy Albert ihany no niainana ny atao hoe «régime parlementaire» na fitondràn’ny parlemanta fa nanomboka ny 1958 hatramin’ny androany dia «régime présidentielle» foana no niainan’i Madagasikara. Misy antony matoa ny filoha Zafy ihany no tsy naongan’ny arabe! Ny filoham-pirenena hafa rehetra voatery nanao sesitany ny tenany avokoa rehefa voazera afa-tsy ny Pr Zafy Albert. Ny tolom-bahoaka hatramin’izay dia ady fivehezana ivontoerana na «espace géographique» iray. Ny ivontoerana voalohany dia ny kianjan’ny 13 may ary ny faharoa dia Ambohitsirohitra. Izay rehetra niezaka naka fahefàna teto dia tsy maintsy nifehy ireo toerana miisa 2 ireo. Mbola tsy zakan’ny atidohantsika malagasy, na izaho io na ianao na isika rehetra, ny mitantana ilay Madagasikara izay afangarontsika matetika amin’Antananarivo nefa misy faritra miisa 23. Misy kaominina 1697. Misy Faritany 6. Misy distrika 114. Ahoana no ahafahana olombelona iray mitantana izany? Izay, hoy hatrany ny tenany, no mahatonga ny antoko politika, Ny Fireneko, izay tarihiko, hilaza hoe ilay «régime parlementaire» no mety amintsika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap