airtel

Politique

02-oct-2026

Politika ampiharina

eny anivon'ny Minisitera

Sample post image

Havadika ho asa mitera-bokatsoa

02-oct-2026

amin'ny fiainam-bahoaka
Miatrika atrik'asa ifanakalozan-kevitra momba ny lalantsaina sy ny fomba fiasa hoenti-mampihatra ny Fanavaozana eny anivon’ny Minisitera ireo tomponandraikitra misahana ny fitsirihana anatiny (PAM) sy ireo mpikambana ao amin’ny rafitra miandraikitra ny rafitra ho an'ny Fanavaozana na Cellule de la Refondation Ministérielle (CRM). Nanomboka omaly ary hitohy amin'ity anio ity eny amin'ny Mining Business Center Ivato ity atrikasa ity. Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny Fanavaozana sy ny fandikana ireo politika ho asa mivaingana sy vokatra azo tsapain-tanana izany.
ASA MIVAINGANA Ny PAM
no miantsoroka, eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana, ny fanadihadiana sy fanombanana ny rafitra ary ny fomba fiasan’ny andrim-panjakana, ary manara-maso ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra entina hamaliana ny hetahetam-bahoaka sy hanatsarana ny andavanandrom-piainany. Ny CRM kosa no mampifandray ireo vokatry ny dinika eny ifotony, ny fikaonandoha isan-tsehatra, ireo tolo-kevitra navoakan’ny atrik'asa samihafa ary ny Fikaonandoham-pirenena. Ireo vokatra ireo dia ampitaina any amin’ireo ambaratonga voakasika mba handraisana azy ao anatin’ny famolavolana ny Antontan-kevitra Nasionaly momba ny Tari-dalan’ny Fanavaozana (DONOR). Ao anatin’ny DONOR indray no hanangonana sy handrafetana ireo tari-dalana lehibe nivoaka nandritra ny dingan’ny Fanavaozana, ka hanamora ny fandikana azy ireo ho asa mivaingana, mahomby ary mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka. Marihina fa efa niatrika fampivondronana toy izao koa ireo Sekretera Jeneraly sy Tale Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Primatiora ary ireo Minisitera.
Jean D.
Me Hanitra Razafimanantsoa, Minisitry ny Fanavaozana, nanokatra ny atrik'asa teny Ivato omaly
 

Dans la même rubrique

02-oct-2026

Hankalazaina miavaka ny 14 oktobra

Card image cap
02-oct-2026

Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahantena omaly

Card image cap
01-oct-2026

fa ilaina ihany koa ny goaika antitra ! »

Card image cap