airtel

Politique

13-mai-2025

Politika avo lenta

«Tsy nitsoaka fa navoaka malalaka i Kolonely Patrick!»

Sample post image

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

13-mai-2025

andro lazaina hoe nitsoaka iny, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Frantsa, Fanirisoa Ernaivo, araka ny hafatra miafina voaraiko. Tsy nitsoaka mihitsy izy fa nalefa tamin’ny 5 ora maraina dia tsy nisaoty tamboho izany izy fa nandeha tsotra na «normal» nivoaka ny vavahady be an’ny Toby ary ireo zandary mpiambina nanao raharaha tamin’io ary mbola nanao «salut», izany hoe, niarahaba azy tsara satria mahafantatra azy. Nahita azy nandray «taxi-moto» teo ivelan’ny Toby ireo «garde» na mpiandry teo am-bavahady ireo dia lasa izy. Rehefa nolazaina amin’izay fa nitsoaka izy dia nampanantsoina natao famotorana tao koa ilay mpitondra kodiaran-droa na «taxi-moto» satria efa fantatry ny zandary fa miasa eo foana. Rehefa nanontaniana izy hoe : taiza no nanateranao azy dia namaly hoe teny Ivandry teny amin’ny Pullman dia izaho tsy mahalala na inona na inona fa mikarama dia nomeny ny saran-dalana dia lasa izy moa izaho niverina. Tsy notazonina moa ilay «taxi-moto» fa nalefa rehefa vita ny fanadihadiana. Taorian’izay dia nandeha teny Ambohimangakely teny amin’ny tranony ny Zandary marobe nitady azy teny. Ny fiarakaretsaka miasa teo akaikin’ny tranony indray no nanontanian-dry zareo hoe nahita an’i Kolonely teo ve ianao? Namaly hono ilay saofera hoe tazako niditra teo izy fa tsy mbola tazako nivoaka dia nisitrihan’ny Zandary moa tao amin’ny tranony. Nosavaina fa tsy tratra tao intsony i Kolonely Patrick dia iny namoahan’ny minisiteran’ny foloalindahy «avis de recherche» na ombay mitady iny, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity diaspora ity tao amin’ny tambazotran-tseraserany ny sabotsy teo. Betsaka ny sangodim-panina ! Iza no tao ambadika nanome baiko ny famotsorana azy izay tsy maintsy manam-pahefana raha izay tokoa no nitranga ? Inona indray no mety ho setriny ?
MITENY NY SOLOMBAVAM-PANJAKANA…
Andaniny, miezaka mandiso ny karazana ampamoakan’io manamboninahitra io ny olon’ny fitondrana. « Tsy tokony nitsoaka ilay i kolonely Patrick raha manana porofo, ao ny « corps » misy azy afaka miaro azy raha tena milaza ny marina izy. Fanafenana ny fanodikodinam-bola 40 miliara ariary nataon’ny sakaizany no tena ao ambadik’ireny. Ary ilay mpandrarahara henjehina io dia tsy vao izao no teto fa efa hatramin’ny fitondrana nifandimby, miasa sy manao ny marina izy ary mandoa hetra ara-dalàna… », hoy ny depioten’Ihosy Rakotomamonjy Patrick, hita tamin’ny haino aman-jery omaly. Ny serasera no hivoahan’ny marina sa ny fanadihadiana lalina, indrindra teo anatrehan’ny ampamoaka. Misy resaka volam-panjakana sy volam-bahoaka ka ny fanaboriboriana resaka tahaka izany ve no tokony hataon’ny antsoina hoe : « solombavambahoaka » sa miantso fanadihadiana parlemantera hivoahan’ny marina ?
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap