airtel

Politique

07-févr-2025

Politika

Filohana vondrona parlemantera iray kasaina haongana…

Sample post image

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

07-févr-2025

toerany ny Filohana vondrona parlemantera iray. Mandeha ny toromarika avy amina mpitarika politika ny amin’ny hanoloana izany noho ny heverina fa fisiana disadisa anatiny, ka ampanaovana sonia ireo solombavambahoaka nampandany an’izany. Hatreto anefa, mbola tsy mety mipasy io, malaindaina ny amin’izany ireo depiote mpikambana amin’io Vondrona Parlemantera io ka toa miezaka miala amin’ilay dingana fanonganana, raha ny resaka mivoaka avy ao anatiny. Misy mihitsy aza no maneho hoe : « izahay tsy hanao an’izany ». Andaniny, tsy dia re firy ary mangingina sy tsy henoheno tato anatin’ny fotoana maharitra io olom-boafidy io, saingy raha ny feo mivoaka avy any ihany koa dia maneho fa hirefotra ny ampamoaka raha mifampikitikitika eo. Resaka ady mangatsiaka, tsy fanarahana fitsipika anatiny, fijoroana ho mpifaninana mivantana na ankolaka,… no voalaza fa isan’ny antony hanonganana io depiote io amin’ny maha Filohana vondrona parlemantera azy. Andrasana raha ho tanteraka ilay dingana fanonganana satria raha ny fantatra dia tsy vao sambany ihany koa ny saika hanilihana an’io filohana vondrona parlemantera io tao anatin’ny rafitra politika nisy azy tamin’ny taom-piasan’ny depiote nialohan’izao noho izy nosokajiana ho nivoaka ny vala. Nandeha ny toromarika tamin’ny famelezana azy sy depiote iray hafa ara-tserasera, saingy nilamindamina tao tamin’ny alalan’ny tokantrano tsy ahahaka ary samy afaka nirotsaka ho solombavambahoaka indray. Anketrihiny, mandeha ny resaka fanonganana ka asa na hipasy na hitsefotra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

sy ny frantsay ny fitondrana »

Card image cap
13-nov-2025

Efa nentina eto Antananarivo omaly,

Card image cap
13-nov-2025

fongory ny saribakolin’ny mpanjanaka!

Card image cap
13-nov-2025

jiro sy rano ho an'ny vahoaka

Card image cap
13-nov-2025

pirenena, miantso ireo manam-pahaizana

Card image cap