airtel

Politique

10-sept-2026

Politika, jeopolitika,

fiaraha-miasa Hihaona amin’ny

Sample post image

mpitondra ambony any Eoropa ny PRRM

10-sept-2026

Niazo an’i Lafrantsa hanatrika ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena mikasika ny habakabaka na ny "Sommet International sur l'Espace" tanterahana any Paris, nanomboka omaly 9 sy anio 10 septambr ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina mivady. Firenena 120 no nahazo fanasana amin'izany ka isan'ireo i Madagasikara. «Manana fanantenana fa hampiasa ny habakabaka isika, ary isika manana manam-pahaizana betsaka », hoy ny PRRMP. Efa nialoha lalana ny PRRM ireo mpikamban’ny governemanta maromaro toy ny Minisitry ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra Mahefa Andriamampiadiana, ny Minisitry ny fampianarana ambony Manda Vy Ravonimanantsoa, ny Minisitry fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Todisoa Andriamampandry, ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo,… Mifantoka amin’ny fampiofanana ireo fahaiza-manao ilaina, ny fampivelarana ireo asa vaovao, indrindra eo amin’ny «géomantique», ny fampiasana sary avy amin’ny zanabolana, ny fikojakojana tobim-pandraisana sy ny fifandraisan-davitra, ary koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Ho an’i Madagasikara, ireo fahaiza-manao ireo dia afaka manohana ny fanaraha-maso ny faritra an-dranomasina, ny fambolena, ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny fifandraisan-davitra, ka hanampy amin’ny fampiasana amin’ny fomba mahomby ny teknolojia ara-habakabaka ho tombontsoan’ny fampandrosoana, hoy ny fizaram-baovaon’ny METFP. Nanamafy kosa ny MNDPT fa ho an’i Madagasikara, ny teknôlôjia "Direct-to-Device" (D2D) dia vahaolana lehibe ahafahana manitatra ny fahafahana mifandray amin’ny tambajotra any amin’ireo faritra lavitra sy mbola tsy voarakotra, ka mandray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana ara-jeografika sy ara-nomerika.
HIHAONA AMIN’NY MPITONDRA AMBONY ANY EOROPA
Migadona any Frantsa izany ny PRRM izay voalaza izay naneho mety hisy fihaonana manokana eo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron, amin’ity anio ity hiresahana mikasika fanatsarana ny fiaraha- miasa eo amin'i Madagasikara sy i Frantsa. Isan’ny horesahana ny tetikasa Volobe. Aorian’ny dia any Frantsa dia hiazo avy hatrany an’i Belizika indray ny PRRM, hihaona amin'ireo tomponandraiki-panjakana ambony any an- toerana. Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoany ny fihaonany amin'ny Filohan’ny vondrona Eropeanina satria isan’ny mpamatsy vola betsaka tsy averina antsika io, izay hiresahana mikasika ireo tetikasa toy ny angovo, ny fanamboaran-dalana sy ny fotodrafitrasa, ary ny fanomanana ny fifidianana izay hotanterahina eto Madagasikara,... raha ny nambaran’ny PRRM.
Toky R

 

Dans la même rubrique

09-sept-2026

fotsiny izao Fanavaozana izao"

Card image cap