airtel

Politique

29-janv-2026

Politika mazava tsara

momba ny fizahantany

Sample post image

Madagasikara mihitsy no tsy manana»

29-janv-2026

Mbola tsy nahatratra izany mpizahantany miisa 500.000 isan-taona izany hatramin’izao ny tahan’ny mpizahantany tonga eto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha mpisehatra amin’izy ity no sady tekinisianina momba izany ihany koa, Rakotoson Dany. Tomponandraikitra isika rehetra, hoy izy, ary misy sehatra azo ambara hoe vita lamin’ny mpandraharaha. Misy ny ofisy izay ikambanana ho tombontsoan’ny be sy ny maro. Misy ny fitondràm-panjakàna. Ny tena olana matetika dia ny tsy fananan’ireo mpisehatra ireo, na dia efa voalamina tsara aza, hoe tena hanana politika, indrindra, hampandrosoana ny resaka fizahantany. Mandray maro ny resaka fizahantany. Tafiditra ao daholo ny resaka lalana, fitaterana, fandriampahalemana, fahasalamana, fambolena sy ny maro hafa. Izay no mahatonga ny sehatra ho tsy afa-mivoatra loatra satria mijanona eo amin’ny 300.000 eo foana no isan’ilay mpizahantany tonga na misy aza ny fivoarana kely fa matetika vao tonga ireny krizy ara-pahasalamàna ireny na krizy politika dia miverina aotra mihitsy ny zava-misy. Izay no mahatonga ilay tsy fisiana fitoniana amin’ny resaka fizahantany. Io izao ny minisitry ny fizahantany vaovao dia mitovy amin’ny taloha rehetra ihany satria Madagasikara mihitsy no tsy manana politika mazava tsara momba ny fizahantany. Izay minisitra tonga dia manao izay mampetipety sy mahatsaratsara azy fotsiny. Tokony apetraka amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hoe fizahantany toy ny ahoana no tiana apetraka eto afaka 5 na 10 taona fa raha tsy izany dia tsy ho lasa lavitra amin’ny mpizahantany 300.000 foana isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap