airtel

Politique

25-nov-2024

Politika mirefarefa amin'ny tany

Voizina eto Antananarivo indray ny resaka fihaviana

Sample post image

Isan’ny niteraka adihevitra sy fanakianana mivaivay teto amin’ny Firenena ilay kabarin’ny solombavambahoaka iray

25-nov-2024

tany amin’ny faritra tamin’ilay resaka boaka atimo sy boaka avaratra, ka nanaovana kabary nandroaka kandida avy amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy nanao fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo tany Avaratra izay tratry ny sakantsakana. Dia io indray ilay izy fa miverina aty amin’izao fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ankehitriny eto Antananarivo Renivohitra. Nivatravatra indray ny solombavambahoaka iray eto an-dRenivohitra ny sabotsy teo nandritra ny fampielezan-kevitry ny kandida iray, ka ankoatra ny filazana fa efa fantatra izao hoe iza no jodasy ary iza no mpamadika, dia nilaza fa ny kandida tohanany no zanak'Antananarivo, teraka teto Antananarivo, monina eto Antananarivo, mahalala ny fiainan'Antananarivo fa hafa ny sasany izay misandoka ho zanak'Antananarivo. Miendrika fanavakavahana ara-poko sy ara-pihaviana avy hatrany ! F'angaja moa misy lalàna fa tsy tokony ho kandida eto Antananarivo izay tsy teraka teto ? Moa tsy mazava ve ny lalàna fa afaka mirotsaka mazava na avy aiza na avy aiza rehefa mazava fa misy zavatra mifamatotra ny fiainany sy tombotsoany toy ny fandraharahana ao anatin’ilay kaominina ? Mba mahagaga ihany raha olom-boafidy mpanao lalàna, sady mpanabe no minia mikipy eo anatrehan’ny lalàna sy miantso ankolaka fifanakavahana ara-poko amin’izao isika efa aty amin’ny taona 2024 izao. Betsaka ny tanàn-dehibe ifangaroan’ny vahoaka avy amin’ny faritra samihafa na ilay antsoina hoe : « cosmopolite » ary harena lehibe ara-kolontsaina sy manamarika ny maha iray ihany ny Malagasy izany raha ny làlan-tsaina entin’ireo mpandalina ny haiolona (anthropologues), ny mpandalina ny haivondron’olona (ethnologue) fa indrindra ny mpahaifiarahamonina (sociologues) saingy mahagaga raha mbola amin’izao vanim-potoan’ny fanatontoloana izao. Raha handray ohatra any ivelany isika, ny ben’ny tanànan’i Londres sadiq khan izay efa miditra taom-piasana faharoa aza anie ka manana fihaviana karana e ! Ny Filohan’i Etazonia teo aloha Barack Obama anie ka manana fihaviana Kenianina e ! Raha miverina eto Antananarivo, efa depiote nofidiam-bahoaka teto anie izany Monja Jaona izany e ! Efa depiote voafidim-bahoaka teto ani’ izany Dama Mahaleo izany e ! Fa ny tena goavana dia mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-14 hoe : «… Rarana ny fikambanana sy ny antoko politika izay manohintohina ny maha iray tsy mivaky ny Firenena sy ny foto-kevitra Repoblikanina sy izay manavakavaka ny fihaviana ara-pirazanana, na ara-poko, ara-pinoana…».
Toky R 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap