Antsohihy Faritra Sofia. Nitsabo tena tao amin’ny Nosy Maurice izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Ara-politika, izy no depiote naharitra indrindra tao Tsimbazaza, izay tao anatin’ny taom-piasana 5 tsy an-kianto nanomboka ny taona 1998 no depiote, ka ny taona 2014 dia Filoha lefitra tao amin’ny Antenimierampirenena. Izy no tompon-kevitra voalohany tamin’ny volavolan-dalàna mikasika ny toaka gasy, niady mafy tamin’ny tokony hanaovana lalàna mikasika ny fisotroan-dronon’ny parlemantera, niaingan’ny CLD (Comité Local de Développement) niova ho CIAD (Crédit d'investissement de l'appui au développement) izay vola tantanan’ny Depiote hanaovana fampandrosoana, niady mafy ny haha zo ny fisitrahan’ny depiote fiara tsy mataho-dàlana,… Isan’ny raharaha iray nahakasika azy kosa ny naha voarohirohy azy ho nanao herisetra ara-nofo tamina tovovavy vao 16 taona tamin’ny 2011. “Zagnahary no tompon’ny aina ka manaiky ny fandaharany mandrakariva! Raiamandreniko nikolokolo ahy. Ary nanoro lalana ahy ary mananatra fona isan-andro fa manaiky aho na dia mafy aza. Matoky fa tsy very lalana aho amin’ireny anatra sy lalana natoronao ahy ireny”, hoy ny mpanakanto Vaney’s Herinomenjanahary vadin’ny depiote Jao Jean. Mirary fionona feno ho an’ny fianankaviany manontolo.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby