airtel

Politique

13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara

Natory ireo antoko politika filamatra efa ela

Sample post image

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

13-mars-2025

comportement politique» an’ireo mpisehatra politika eto amin’ny firenena ankehitriny no jerena. Ny fahalalahana maneho hevitra rahateo koa moa nitotongana, araka ny hita tamin’ireo tombana nataon’ny rafitra iraisampirenena samihafa tao anatin’ny 5 taona farany. Nalaza ny antsoina hoe «réquisition d’office» na fanagiazana ireo haino vaky jery tsy andefa afa-tsy fandaharana tokan-jotra noho ny fandalovan’ny valanaretina COVID 19 teto amin’ny firenena ny taona 2020. Ny taona 2020 sy 2021 fotsiny isika dia efa very toerana miisa 40 tany ho any izany, raha atotaly, teo amin’ny lafiny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny manodidina izany dia ny resaka demokrasia sy fahafahana maneho hevitra, raha ny fampilaharana navoakan’ny Reporter sans frontière. Tamin’ny taon-dasa moa dia nisy ireny mpanao gazety nosakanana tsy hiditra ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza ireny koa nefa fivoriana natao ho atrehin’ny olompirenena rehetra, raha ny voafaritry ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny resaka fanakatsakanana hetsika samihafa, izay tsy voatery ho an-dalambe intsony fa na anaty trano aza, manginy fotsiny. Manoloana izany rehetra izany nefa dia hita ho natory ireo antoko politika filamatra efa ela, araka ny fahitàn’ireo mpanao politika zandriny taty aoriana azy. Nangina tsy andrenesam-peo intsony izany Leader Fanilo izany. Nangina toa azy koa, fotoana maro izany, ny PSD. Milaza ho mihainohaino aloha ny UNDD. Ny MFM, izay nalaza ho tompon’ny tolona sy nanomboka niforona mihitsy ny taona 1972, no hany sisa hita ho mielinelina matetika eny. Miha mivoy hatrany ny resaka fifanarahana miafina eo amin’ny samy mpanao politika na ilay antsoina hoe «deal», izay heverina fa tsy maintsy misy eo amin’ny tontolo politika eran-tany saingy eto amintsika kosa dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe «vakiana fotsiny», mba tsy ilazàna hoe «vakiana loatra». Zary miseho lany hatrany ny tsy fijerena intsony ny tombontsoam-bahoaka fa toy ny ady seza sy ny kajikajy politika aloha hatreto no hita ho manjaka!
J. Mirija 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap