airtel

Politique

28-mai-2024

PR JOSEPH

Jereo tsara ny olona hofidiana hialana amin’ny fahantrana

Sample post image

Ora sisa no isaina dia higadona ny fotoana izay hanatontosana ny adidy masina eto Madagasikara,

28-mai-2024

dia ny fifidianana izay ho solombavambahoaka izany. Rahampitso Alarobia 29 May tokoa mantsy no hanatanterahana izany manerana ny Nosy ho an’ireo feno 18 taona rehetra. Manentana ny vahoaka Malagasy rehetra ho tonga hanefa ny adidy masina eto amin 'ny firenena ka hirodorodo ho avy maro rahampitso araka ny Pr Joseph. Na izany aza anefa dia mampahatsiahy izy fa nandritra ny 15 taona katroka izay nisian 'ny fanonganam - panjakana nataon 'izao fitondrana izao teto amintsika, dia nihanahantra sy nijaly fadiranovana tamin 'ny lafiny rehetra ny Malagasy. Mba tsy hahatonga antsika sy ity firenetsika ity ho potika tanteraka noho izany dia mangataka izy mba samy hahay handinika sy handanjalanja avy ny tsirairay. Aza averina hanjaka eto intsony ireo nampahantra antsika mba tsy hitenenan 'Andriamanitra antsika hoe : Ny fahadalan 'ny olona no nahasimba ny alehany, dia amin ' i Jehovah no sosotra ny fony, araka izay voasoratra ao amin 'ny Ohabolana 19 : 3. Anjarantsika araka izany ny mandinika, fa hoy ny voasoratra ao amin 'ny Galatiana 6 : 7 manao hoe : Aza mety hofitahina hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay hafafin 'ny olona no hojinjany.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph aminy !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap