airtel

Politique

08-oct-2025

PR JOSEPH

Ny miala ihany no tena mety amin-dRajoelina sy ny forongony

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ilay resaka

08-oct-2025

robot indray ny Pr Joseph, mpanompon'Andriamanitra no sady mpandinika raharaham-pirenena.Mampametram - panotaniana hoy izy ilay hoe : robot nambaran - dRajoelina, fa hoe : " hitrandraka ny harena an - kibon ' ny tany eto Madagasikara ! " Fa iza no tena nitrandraka sy nanondrana harena an - kibon 'ny tany an-tsokosoko teto, tsy hianareo fitondrana Rajoelina ihany va ? Eny, fa na hatramin 'ny volamena aza mbola vitanareo no namadika azy ho lasa vy. Koa iza izany ilay robot lazainao Rajoelina, tsy hianareo ihany ? Aza mandainga ! Ary miheritrereta sy mandiniha, fa raha izao zava - mitranga rehetra izao hatramin 'ny taona 2009 no makanty, dia tanteraka aminareo daholo ilay tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny Jaona 8 : 44. manao hoe : Ianareo avy tamin 'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin 'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin 'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain 'ny lainga. Noho izany, dia ny miala eto Madagasikara ihany no mety sy takianay vahoaka Malagasy aminao sy ny forongonao Atoa Andry Rajoelina, ary tsy tokony hiandry ela intsony, fa maika hanova ny firenenay izahay. Tahaka ny valabe ihany io ; ka tsy maintsy diovinay aloha ny tanimbary hialan ' izao fako sy tsiparifary izao, hahafahanay vahoaka Malagasy mamboly vary tena izy, satria izany no sitrapon ' Andriamanitra araka ny teniny izay voasoratra ao amin 'ny Jeremia 1 : 10 manao hoe : ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam - pahefana amin 'ny firenena sy ny fanjakana, hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph !
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap