airtel

Politique

07-mai-2026

Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison

« Tsy tia an’i Madagasikara

Sample post image

ireo mikasa hanakorontana !»

07-mai-2026

Pejim-baovao irain’ny orinasan-tseraserana tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Primatiora no namoaka filazam-baovao mitatitra fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison omaly. Nambarany fa apetraka amin’ny fahendren’ny vahoaka Malagasy ireo endrika fanakorontanana eto amin’ny Firenena. « Tsy tia an’i Madagasikara ireo mikasa hanakorontana an’izao fitodrana fanavaozana izao fa te hijanona amin’ny zavatra efa tsy nety tany aloha », hoy ny voalaza tao anatin’io filazam-baovao io nitatitra ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra, ka nanamafisana fa tsy tia fanavaozana araka izany ireo mijoro ho mpanohitra ka miantso ny rehetra hifantoka amin’ny fanavaozana hapetraka eto amin’ny firenena ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Navoitra fa tsy izao fitondrana izao no hanao ny fanavaozana fa ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara .Hanomboka amin’ny 20 Mai 2026 ho avy izao ny tena fikaondoha hiainga eny ifotony , izay hakana ny hevitry ny Malagasy rehetra, hoy ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana hatrany. Andrasana andaniny ny mety ho tatitry ny governemanta eo anatrehan’ny antenimierampirenena mikasika ireo olana ara-tsosialy samihafa, ny olana ara-toekarena mifandraika amin’ny zava-misy ato anatiny sy iraisam-pirenena, ny sondro-bidim-piainana,… Isan’ny maika ny fijerena ny sehatra tsy miankina amin’ny fanalefahana ireo fahasahiranana ara-tsosialy, dia ny fampiakarana ny karama. Efa nilaza ny tenany ny 01 mey teo, fa efa mandinika ny didim-panjakana hanondrotana ny karaman’ny mpiasa sy ny famerana ny karama farany ambany ho an’ny tsy miankina. Mila fifanarahan’ny besinimaro mba tsy hiteraka olana, tena hasondrotra, tsy dia lavitry ny fitakiana, saingy tsy maintsy iarahana midinika, raha ny filazany. Raha hiverenena, isan’ny teny nataon’ny Praiminisitra roatokombolana lasa raha nanolotra ny Fandaharan’asa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE-R ny hoe :"Rehefa tapitra ity fe-potoana nomena ahy ity dia Madagasikara matanjaka ara-politika vahoaka malagasy matoky ny mpanao politika no tokony ho hita ». Tao ao anatin’io no efa nilazany, fa ny zava-misy amin’izao vao miresaka mpanao politika dia olona ratsy, olona mangalatra. Iraka roa no nankinin'ny filohan'ny fanavaozana taminy dia ny hanatanteraka ny Programa ankapoben'ny Fanavaozana, eo ihany koa ny hampiray indray ny Malagasy. Anisan'ny navoitra fa laharampahamehana ao anatin'ny Politika ankapoben'ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano, ny fandriampahalemana, ny fanomezan-danja ny famokarana sy ny fotodrafitrasa, eo ihany koa ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny fanjakana tsara tantana sy ny fampandraisana anjara ny olona ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Na izany aza, ekena ny finiavana, saingy mbola betsaka no mila ezaka satria raha ny herinaratra izay isan’ny anton’ny fitakiam-bahoaka 6 volana lasa izao dia manomboka miverina indray ny hetsika andalambe amin’ny toerana sasantsasany,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Ny raharahanareo depiote alamina tsara!»

Card image cap
06-mai-2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Card image cap
06-mai-2026

fiampangan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
06-mai-2026

sy ny Minisitry ny Fitsarana…

Card image cap
06-mai-2026

Nisokatra omaly ny fotoam-pivoriana

Card image cap