airtel

Politique

20-janv-2026

Ra mandriaka sy faty olona,

ahiahy fanonganam-panjakana,

Sample post image

Nidoboka am-ponja ny Jeneraly Richard R. sy ny depiote Marie Michelle

20-janv-2026

nidoboka am-ponja vonjimaika ireo tompon’andraikitra ambony tanan-kavanan’ny Filoha teo Andry Rajoelina, taorian’ny fanadihadian’ny Mpitsara azy. Eny amin’ny fonjaben’Imeritsiatosika ny Jeneraly Ravalomanana Richard, raha amin’ny fonjaben’Avaradrano kosa ny depiote sady Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanao tatitra ofisialy ny teo anivon’ny Fitsarana notarihin’ny Filohan’ny Fitsarana an-tampony, ary nisy ny fanambarana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna Rakotoniaina Narindra Navalona, izay nanazava fa nandalo mpitsara mpanao famotorana omaly ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Vesatra itazonana azy ny Firaisana tsikombakomba amin’ny famonoana olona sy fandratrana olona niniana natao, tamin’ny alalan’ny fanomezana baiko sy toromarika ary famporisihana ireo mpitandro filaminana hampiasa hery amin’ny vahoaka mpanao famotorana. Hita ny vesatra ka nampidirina vonjimaika miandry ny Fitsarana, hoy ny tatitra. Herisetra niaro faty olona no anisan’ny vesatra hanenjehana azy izay efa nolazaina tany aloha fa betsaka ny fitarainana tonga teo anivon'ny Fitsarana, Minisiteran'ny Fitsarana,... Nosokajiana ho nandray toerana tsy tokony ho azy, nanao fitsabahana na "usurpation de fonction" tsy tao anatin'ny andraikitra maha Filohan'ny Antenimierandoholona, ary ahiana ho nanome baiko ny mpitandro filaminana nandritra ny fihetsiketsehana ny volana septambra sy oktobra. Tsiahivina hatrany,fa tenany nivantana no nidina teny an-kianja ny 25 septambra 2025. Ny tenany no efa niresaka an’ilay hoe : « tsy misy vahoaka maharesy tafika izany ».
VOAROHIROHY HO NIKASA HANONGAM-PANJAKANA
Andaniny, natao fanadihadiana teo anivon’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana tampony ihany koa Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle omaly, ka nidoboka am-ponja eny Avaradrano. Nanomboka ny 04 janoary moa no voatazona nohadihadiana tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava ity olona akaiky an’i Andry Rajoelina ity. Marihina fa voalaza ho ahiahiana ho nitazona volabe amina miliara maro ariary tao an-tranony i Marie Michelle Sahondrarimalala, hoy ny mpisolovavany Me Nicaise Chen. Nilaza izy fa vola izay lazaina fa natao hanohanana fanonganam-panjakana kanefa tsy nisy porofo hita nandritra ny fisavana natao tao an-tranony. Andaniny, nilaza mazava ny Fitsarana fa araka ny andininy faha-512 amin’ny fehezan-dalàna mikasika ny paikady heloka amin’ny maha mpitsara « 1ere grade » azy, dia efa namoaka ny « autorisation de poursuite » na fahazoana manenjika azy ny Minisitry ny Fitsarana, ary efa nesorin’ny birao maharitry ny antenimierampirenena ihany koa ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire », araka ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana. Noho izany, dia manaraka ireo pitsopitsony rehetra izay voalazan’ ny lalàna ny fanadihadiana. Rehefa vita ny famotorana, hita ny vesatra, dia naiditra vonjimaikaeny amin’ny fonjan’Avaradrano. Ankoatra azy, nentina teo anivon’ny Fitsarana ihany koa ireo olona 12 voarohirohy niaraka taminy, ka fanaparitahana sy fizarana vola entina hanakaramana olona hanao fanakorontanana, faizin’ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha-91 andalana faha-3. Napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana mandra-pahatongan’ny Fitsarana izy ireo.

Henjana ny vesatra saingy, mbola anatin’ny «présomption d’innocence » na zo amin’ny maha tsy mbola meloka mo aizy ireo izay Filoham-panjakana mpisolo toerana teo aloha ve sy Minisitra teo aloha sady mpitsara ambony ka asa hanao ahoana ny didy raikitra? Asa mba manao ahoana ihany koa ireo dosie hafa ? Aiza ireo olon’ny governemanta teo aloha namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tany na IST ? Mbola eto avokoa ve ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap