Miantso am-pitoniana ho an’ny vahoaka malagasy, ny diaspora ary ny fiarahamonina iraisampirenena Amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika izao, hoy ny mpanakanto, Rafifi Randriamanantena. Mijoro izahay, olompirenena izay tia tanindrazana, hoy izy, hanamafy fa ny antso ataonay dia tolona ho an’ny fahamarinana, mangarahara, fanajana lalàna sy fiarovana ny zon’olombelona ary fiarovana ny harem-pirenena. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana., hoy ny voalazan'ny Baiboly Kristianina ao amin'ny Matio 5:6. “Fantaro ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo.”, hoy koa ny voalaza ao amin'ny Jaona 8:32. Izahay dia mino fa tsy misy firenena afaka mijoro maharitra raha tsy miorina amin’ny fahamarinana sy ny fitsarana mitovy ho an’ny rehetra. Araka ny ohabolana malagasy manao hoe “Ny marina tsy mba maty.” ary koa “Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana.”, midika izany fa ny firenena dia an’ny rehetra ary tsy azo avela ho fananan’olom-bitsy na ho fitaovana hanompoana tombontsoa manokana. Fiantsoana ny hery fiarovana, amin-kitsim-po sy am-pahendrena no iantsoanay ny tafika, ny zandarmaria ary ny polisim-pirenena. Arovy ny vahoaka! hajao ny lalàna! Firaisankina, fahamarinana, fanarenana ny firenena no ataontsika. Ianareo no andry iankinan’ny fiarovam-pirenena. Ny adidinareo araka ny lalàmpanorenana dia ny miaro ny vahoaka sy ny fiandrianam-pirenena. Rehefa mijoro am-pilaminana mitaky ny zony ara-dalàna ny olompirenena dia mendrika harovana fa tsy hogejaina amin’ny tahotra. Ny tantara dia manaporofo fa maharitra sy hajaina ny firenena izay ny hery fiarovany mijoro ho an’ny lalàna sy ny vahoaka. Ho an’ny diaspora malagasy, ianareo any ivelany dia ampahany velona amin’ny firenena. Ny feonareo, ny fandraisanareo andraikitra ara-diplomatika sy ara-tsosialy ary ny fanohanana ara-moraly dia hery lehibe ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara koa. “Ny hazo tokana tsy mba ala.” Ny firaisankina no antoky ny fanovana maharitra. Ho an’ny fiarahamonina iraisampirenena, mangataka izahay mba hanaja ny safidin’ny vahoaka malagasy sy hanohana ny soatoavina demokratika, ny mangarahara ary ny fanjakana tan-dalàna. Ny fitoniana maharitra eto amin’ny faritra dia miankina amin’ny fanajana ny rariny sy ny fahamarinana eto an-toerana. Ry vahoaka malagasy malala, tsy azo ekena intsony ny kolikoly sy ny tambajotra manimba ny firenena, izay manitsakitsaka ny zon’ny vahoaka sy manararaotra ny harena iombonana ho tombontsoa manokana. Miantso ny olompirenena rehetra izahay mba hijoro amim-pilaminana, amim-pahendrena ary amim-piraisankina, hanarina ny firenena amin’ny alalan’ny lalàna sy ny rafitra demokratika. Ny fanovana tena izy dia avy amin’ny fahasahiana mijoro, avy amin’ny firaisankina ary avy amin’ny finiavana hanadio sy hanarina mba hanorenana firenena madio, matanjaka ary manaja ny hasin’ny vahoakany. Tsy tolona hanapotika no ataonay fa tolona hanarina ny firenena. Tsy fiantsoana fankahalana sanatria, fa fiantsoana fahatsiarovan-tena sy andraikitra ary fampihavanana. Mijoro amim-pilaminana izahay satria mino fa ny marina tsy mba maty ary ny rariny tsy azo potehina. Ho an’i Madagasikara madio, matanjaka ary manaja ny hasin’ny vahoakany. Madagasikara antsika malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija