airtel

Politique

17-déc-2021

Politique

Raharaha “Apollo 21” Tadiavina hatao sorona ireo sivily ?

Sample post image

Hivoaka anio ny didim-pitsarana momba ny raharaha “Apollo 21” raha tsy misy ny fiovana. Efa tokony omaly izy io, saingy tsy tanteraka ka dia mitodika etsy Anosy ny sain’ny rehetra hoe:

17-déc-2021

 hanao ahoana ny tohiny? Raha hiverenana, ny 20 jolay 2021 no nisamborana ireo ambara fa tompon’antoka voalohany, niatomboka tamin’ireo zandary Frantsay roa misotro ronono tao dia I Paul Rafanoharana sy Philippe François. 01 aogositra moa, dia miisa 21 no voasambotra ka miaramila sy zandary amperin'asa ny 12 (ahitana Jeneraly 5, Kapiteny 2, Manamboninahitra lefitra 5), misy miaramila sy zandary teratany vahiny sy Malagasy efa misotro ronono 4, ary sivily 5. Miisa 20 no tena niatrika fitsarana, nanomboka ny 6 desambra hatramin’ny omaly ny fihainoana azy ireo teny amin’ny Fitsarana, izay nisiana zavatra mifamahofaho tanteraka. Samy naneho tamin’ny ankampobeny ireo henjehina fa tsy mitombina sy tsy marin-toerana ny vesatra sy fanenjehana azy ireo, ary misy milaza fa terena atao sorona fotsiny. Nanitrikitrika, ohatra, I Paul Rafanoharana fa hanadio sy hanaisotra ireo sokajiany ho “mafia” olona manelingelina ny Filoha tsy ahafahany manatanteraka ny fampandrosoana no tanjony, kanefa tsy amin’ny alalan’ny famonoana. Nanonona anarana olona akaiky ny filoha maro. Nilaza fa toerana ho masoivoho no efa nifanekany ka nilaza fa efa niresaka tamin’Atoa Naina Andriantsitohaina fony io minisitry ny raharaham-bahiny. Mba ahafahana manadio ireo tambajotrana mafia manodidina ny Filoha, dia nieritreritra ny ho Praimiminisitra I Paul Rafanoharana ary nisy niombon-kevitra taminy tao, raha ny nambarany. Nilaza fa efa niresaka tamin’ireo tandapa, toa ny Tale Kabinetra Lova Ranoramaro, Patrick Rajoelina izay mpanolontsain’ny Filoha talohan’ny naha minisitra azy, Sareraka, ary nanonona anarana hafa ivelan’ireo, saingy tsy nisy voaantso teny amin’ny Fitsarana izany. Ny sakaizan’I François Philippe nilaza ho nampanantenaina fa raha manaiky ireo zavatra nasaina noteneniny tany amin’ny famotorana, dia ahafahana saingy nidoboka ihany, ka mahatsiaro ho nofitahina. Ilay mpiasan’ny banky foibe Aina Razafindrakoto naneho, fa noho ny fiaraha-miasany tamin’I Paul Rafanoharana no nahasaringotra azy, kanefa tsy misy resaka “Apollo 21” izany ny azy ireo fa niara-niasa tamin’ny orinasa Tsara First, izay tao an-tranony no birao,… Misy ihany koa ny resaka voalaza fa namafana antontan-kevitra sy nanasosoana zavatra hafa tamin’ny solosain’ireo voapanga sasany.
HATAO SORONA IREO SIVILY ?
Etsy ankilan’izay re ihany koa fa hoe nesorina ny vessatra amin’ireo miaramila voarohirohy amin’ity raharaha Apollo 21 ity. Antony ara-teknika sy araka ny fanadihadiana lalina ve no mahatonga izany sa sanatria noho ny maha miaramila azy ireo izay mety atahorana satria manana hery . Maro amin’ireo mpanara-baovao politika no mihevitra efa hatrany am-piandohan’ity raharaha ity fa ireo sivily no mety hatao sorona sy alefa hisolo vaika ny ankalana, ka nambara fa nikasa hamono ny Filoha ary dia ho fonjaina. Zavatra tsy mitombina anefa ny hoe sivily irery handeha hamono Filoha na hanongam-panjakana fa tsy maintsy misy hery hafa ara-miaramila manampy azy ary efa fata tany amina firenena maro maneran-tany izany.Andrasana izay didy hivoaka anio satria avo lenta ity resaka ity. Iza no hatao sorona ary iza no havotana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

Card image cap
10-mai-2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Card image cap
10-mai-2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

Card image cap
10-mai-2024

Kaominina 3 no notsidihan'ny kandida depiote HONTY RAZAFITRIMO tao amin'ny distrikan' Ankazobe

Card image cap
10-mai-2024

Vavaka no nisantarany ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Avotra sy Jimmy laharana fahatelo,

Card image cap
08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap