airtel

Politique

27-avril-2022

Politique

Raharaha Appollo 21 Manao izay ho afany ny mpisolovavan-dRafanoharana

Sample post image

Niarahantsika nahita farany teo fa nandeha ny fihainoana mikasika ny raharaha Appollo 21 ary efa nivoaka tao amin’ny CCO na “Cours criminel ordinaire” ny didim-pitsarana, hoy ny mpisolovava Maitre Henintsoa.

27-avril-2022

Araka ny dingana dia nandeha fitsipahana didy na “cassation” ny dosie izao, hoy izy, ho anay rehetra tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana. Ny kabinetran’ny Maitre Willy Razafinjatovo dia isan’ny nanao izay “pourvois en cassation” izay satria miaro an-dramatoa Voahangy sy andriamatoa Paul Rafanoharana. Tsy mangina ny dosie fa misy dingana maro mbola tsy maintsy arahana any amin’ny fitsarana an-tampony. Isany ny fanaovan’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana an-tampony tatitra, izany hoe, mbola tsy maintsy mametraka karazana fehin-teny koa ny mpitsara ao dia rehefa tapitra izay rehetra izay vao mandeha ny fihainoana na “audience”. Tsy mitovy amin’ny “audience” taty amin’ny “cours d’appel” intsony ny ao amin’ny “cours suprême” na fitsarana tampony. Rehefa nivoaka ny didy taty amin’ny CCO dia nomena 2 volana ireo rehetra tsy afa-po nametraka ny atao hoe “requête en cassation” na « mémoire en cassation » rehefa nahavita nametraka ilay fitakiana fitsipahana didy. Rehefa vita izay dia mbola tsy maintsy mametraka tatitra koa ny mpitsara ao amin’ny fitsarana tampony dia izay vao alefa tsaraina ny taratasin’ady. Tsy misy adihevitra lava be toy ny teo aloha intsony izany fa taratasy sisa no alefa ho tsaraina sy amoahan’ny fitsarana tampony didy. Mbola eto Madagasikara izy mivady ary tsy maintsy mbola miandry didy raikitra avy ao amin’ny fitsarana tampony satria tsy mitombona mihitsy ny andefasana an-dry zareo manefa ny saziny any ivelany na dia manana zom-pirenena frantsay aza ry zareo raha tsy hoe efa didy raikitra ilay izy, hoy hatrany ity mpisolovava ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

Card image cap
10-mai-2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Card image cap
10-mai-2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

Card image cap
10-mai-2024

Kaominina 3 no notsidihan'ny kandida depiote HONTY RAZAFITRIMO tao amin'ny distrikan' Ankazobe

Card image cap
10-mai-2024

Vavaka no nisantarany ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Avotra sy Jimmy laharana fahatelo,

Card image cap
08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap