azy ho Tale Jeneralin’ny Central Intelligence Service (CIS), dia nanambara ny fialany amin’ny toerany ny Contrôleur Général de Police Lebiria Ruffin Tolojarany. Antony ny andraikitra iraisam-pirenena izay tsy mifanaraka amin’ny asa tokony hataony ao amin’ny CIS, raha ny nambarany tamin’ny alalan’ny horonantsary teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly. Tsy azo atao ny mitambatra amin’ireto andraikitra roa samy hafa ireto, raha ny fanazavany. Voatendry tamin’ny 5 novambra 2025, nandritra ny fe-potoana fohy nitondrany dia nanara-maso ny fanakanana ny fikasana hanakorontana politika izy, izay nahitana fisamborana fitaovam-piadiana sy vola be, ary koa ny fisamborana ireo olona voarohirohy, araka ny vaovao ofisialy ny 08 novambra 2025. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy mazava ny tohiny ara-pitsarana amin’ity raharaha ity: tsy mbola nisy fitsarana na didim-pitsarana navoaka ampahibemaso, ary mbola tsiambaratelo ny antsipiriany momba ireo mpanome baiko na ny haben’ny tambajotra. Raha hiverenana iny raharaha iny, teratany vahiny miisa 2 no nosamborina izay nambara fa nikotrika famonoana ny filoham-panjakana Kolonely Michael Randrianirina, hoy ny Tale jeneralin'ny CIS contrôleur Général de Police Rufin Tolojara Lebiria tamin’izany. Nambara fa mbola misy tambazotra miisa roa hafa hanaovana fisavana izay mifandray amin’ity raharaha ity ihany. Tafakatra 6 ireo basy mahery vaika tratra izay basy vaovao avokoa niaraka tamin’ny bala maro izay fantatra fa avy avy any Italie, raha ny tatitra tamin’izany. Ireo vola tratra kosa dia vola vaovao ny 1,9 miliara Ar ary ny 100 tapitrisa Ar kosa vola efa niasa. Asa nanao ahoana tokoa ny tohin’iny sa mbola ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana hatramin’izao ? Sa sanatria nisy fahadisoana teo amin’ny angom-baovao na « renseignement » mikasika iny toe-javatra iny fa tsy misy hidiran’ny resaka fikasana hamono ny filoha? Asa na fifandrifian-javatra fa nisy fampahalalam-baovao iray nampahatsiahy iny raharaha iny omaly, ary ny takariva kosa no nivoaka ny horonantsary naneho fa niala ny Tale Jeneralin’ny CIS. Mety ho fifandrifian-javatra ihany amin’ny lafiny iray. Na izany aza, andrasana ny tohin’iny raharaha iny izay tena saropady, saingy mba liana amin’ny tohiny sy ny vaovao ofisialy ny olom-pirenena mba hialana ihany koa amin’ny kihonohono sy ny resaka iniana voizina etsy sy eroa…
Toky R