Hiakatra fampanoavana anio izy raha ny loharanom-baovao. Andaniny, mitaky ny fanafahana azy ireo Raiamandreny avy amin’ny Grand Sud-Est izay nanao fanambarana omaly. « Mitaky ny fanafahana ny zanakay Randriantsotsy Sylvia tsy misy fepetra satria mahatsapa izahay fa tsy fandikan dalana velively no nataony fa fanehoan- kevitra tsotra tamin'ny tambajotran- tserasera,... Zo fototra ao anatin'ny lalampanorenena izany fanehoan- kevitra an- kalalahana izany ka tsy mendrika hanasaziana azy. Mahatoky ny fahendrenareo fitsarana izahay Ray aman-dReny Grand Sud Est. Fa raha migadra ny zanakay dia handray fepetra izaha. Manantena ny fahalalan- tsainareo izahay avy aty Grand Sud Est”, hoy ny fanambarana.
Toky R