Malagasy Andry Rajoelina ny lanjan’ireo fiaraha-miasa sy faiaraha-miombon’antoka ara-toekerana sy ara-diplaomasia. Toa ezahana atodika any amin’ireny, ary mijanona ho ambanin-javatra ny famerenana ireo Nosy Malagasy na « Iles Eparses » izay efa nanaovan’i Emmanuel Macron an’ilay hoe: « Ici c’est la France ». Na mety nisy aza ny karazana kabary na mety ho sinema politika mba hanomezana aina ny fitsidihana ka nilazan’i Andry Rajoelina ny fitakiana na fangatahana ny famerenana an’ireo, dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Nambara ny hanokafana indray ny Vaomiera Iraisan’ny roa tonta mikasika ny hoavin’ireo andiana nosy, dia nambara fa hitohy any Frantsay ny 30 jona 2025 izao ny dinika mikasika an’io, izay efa tany amin’ny 2019 no nisy vaomiera, saingy nanjavona teo. Havoitra ny resaka marimaritra iraisana sy fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana toa misintona ny saina ho any amin’ny hoe : hifanaraka amin’ny Frantsay amin’ny hirosoana amin’ny fiaraha-mitantana na « co-gestion » ve ny Fitondrana Rajoelina ? Efa nisy ny Fanapahan-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979, izay nandidy an’i Lafrantsa mba hamerina amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo, saingy mijanona ho fanambarana sy tsy nisy fampiharana. Ny an’i Maurice nahomby ny fifandresen-dahatra ara-diplaomatika tamin’ny Anglisy ka niverina ny ampahany betsaka amin’ny Vondron’ny Nosy Chagos raha toa ka mbola lavitr’ezaka ny an’i Madagasikara. Ry zareo Kaomorianina ihany koa anisan’ny manenjana mitaky ny famerenana ny Nosy Mayottes aminy, saingy nangotraka ny resak’i Macron tany Mayottes tamin’ny filazana fa hanangana « rideau de fer » na rindrim-by ! Anisan’ny Firenena manana ny teny Farany ao amin’ny Filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana moa i Lafrantsa raha mbola mipetraka ho Firenena mahantra fadiranovana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Madagasikara. Asa rahoviana vao mba hiova ny tantara ?
Toky R
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na