airtel

Politique

30-juin-2025

Raharaha Nosy Malagasy, fiainam-pirenena

« Maika ny famongorana ny

Sample post image

Fanjakan’ny saribakolin’ny mpanjanaka »

30-juin-2025

Ny 30 jona izao no voafaritra hanatanterahana ny fihaonan’ireo Komity Frantsay-Malagasy handinika ny raharaha Nosy Malagasy. « Maro ny dingana sy ezaka efa nolalovan’ireo Raiamandrenintsika na tamin’ny hevitra izay narosony na ny ady mivantana izay nataony nanoherana ny fanjanahantany. Ny mampalahelo dia izao hoe : isika taranaka ve mijoro hanohy ny fitarihana ny ezaka efa nataon’izy ireo izay ? », hoy Rakotoarivelo Solofonirina Roger mpikambana amin’ny Antoko MFM saingy amin’ny anaran’ny tenany manokana no nanehoany hevitra. Nahitsy izy naneho fa ny maika izao, dia ny fandresena ny fampahantram-piheverena, famongorona ny Fanjakan’ny saribakolin’ny mpanjanaka izay hita fa maloto ary miseho amin’ny endrika manara-panitra. Maro karazana io ary tsy mitsaha-mitombo mandrak’ankehitriny ireo, ka voalohany ny fangejana ny toekarena, hoy izy. Faharoa manampy trotraka an’io ny tenin’ny Filoha Frantsay hoe : « ny fahantranareo Malagasy 80% eritreretina, fa tsy mila mieritreritra ny Iles Eparses ». Mahavaka ny sain’ny besinimaro kosa anefa andaniny ny fihetsiky ny manam-pahaizana, nikombom-bava tsy nandressam-peo ny ankamaroany na izany aza ny zavatra mitranga. Noho izany, rariny sy hitsiny raha miresaka sy mifamarafara hoe : làlan-diso tanteraka ny misafidy hangina manoloana an’izao endri-panandevozana amin’ny endriny vaovao », hoy izy. Lavinay sy tsy ekenay ny fiaraha-mitantana na « co-gestion », ny komity iombonana, tady mazahaka hamatorana ny Firenena indray io. Takianay ihany koa ny famerenana ireo harem-pirenena izay voaporofo fa voahodinkodina ary ny hanasaziana ny mpanodikondina. Hamafisinay, ary mino izahay, fa aleo tsy hipetraka ho antso an’efitra intsony izao ka hahavery fanahy ny maro, indrindra ireo sahirana izay 80%. Manaitra ny sain’ny mahatsiaro tena rehetra mba hiara-hihevitra, hiara-hamaritra ny famaranana ny fahantrana tsy hita pesimpesenina mahazo ny Firenena izao, hoy hatrany Rakotoarivelo Solofonirina Roger.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap