airtel

Politique

14-sept-2026

Raharaha Ravatomanga

Raikitra fifampiampangana

Sample post image

goavana ao Maurice

14-sept-2026

Mivoatra isan'andro ny vaovao manodidina ny raharaha Mamy Ravatomanga atsy Maurice, mandra-piandry ny valin'ny fangatahana fahafahana arahina anto-bola-bola ny 12 oktobra izao. Raikitra ny karazana ampamoaka sy fifampiampangana samihafa, raha raisina amin'ny tatitry ny fampahalalam-baovao Maorisianina. Nandritra ny kongresin’ny antoko MSM tao Grand-Bois ny zoma teo, nanamafy indray ny fanafihana ara-politika nataony momba ny raharaha Mamy Ravatomanga i Pravind Jugnauth, Praiminisitra teo aloha. Nampiseho rakipeo izy, izay nolazainy fa antso an-telefaonina nataon’ilay antsoina hoe Carl, olona nilaza ho akaiky an’i Navin Ramgoolam, Praiminisitra maorisina. Araka ny filazan’i Jugnauth, io antso io dia naneho resaka momba ny fifampiraharahana ara-bola: vola Rs 300 tapitrisa ho an’ny “dokotera” sy Rs 50 tapitrisa fanampiny ho an’ilay olona miteny. Nambarany fa io no ampahany amin’ireo “porofon’ny kolikoly” izay lazainy fa eo am-pelatanany. Nangataka fanazavana momba ny fipetrahana jet privé tany Maurice sy ny toromarika mety ho azon’i Dorine Fong Weng-Poorun, mpanolotsaina eo anivon’ny Primatiora Maorisianina ny Filohan'ny MSM. Nampifandray izany amin’ny fisehoan’i Nasser Beekhy tao amin’ny FCC izy, izay nitranga ny zoma teo ihany. Nandritra ny lahateny, nanambara i Jugnauth fa mbola hisy “révélations” na ampamoaka hafa havoakany, nefa tsy mbola nanome antsipiriany. Nampiasa teny mahery vaika izy rehefa avy nampiseho ilay rakipeo: “Deal fini fer…”. Andaniny, nampiakatra fitoriana ofisialy tao amin’ny Financial Crimes Commission (FCC), Komisiona misahana ny heloka bevava ara-bola, i Nasser Osman Bheeky, niaraka tamin’ny mpisolovavany Me Samad Golamaully. Ny fitoriana dia mifandray amin’ny raharaha Mamy Ravatomanga, izay misy fiampangana fanadiovana vola maloto mitentina hatramin’ny Rs 7,3 miliards. Nasehony tamin’ny mpanadihady ny clé USB izay ahitana, hoy izy, resaka WhatsApp momba fangatahana vola. Nilaza ny mpisolovavany fa tsy resaka namboarina tamin'ny faharanitan-tsaina artifisialy na IA, nampiany hoe: Nisy olona nanararaotra an’i Ravatomanga ho toy ny loharanom-bola tsy mety ritra. Nilaza izy fa namana akaiky an’i David Jean Christian Thomas, izay heverina ho tanan-kavanan'i Mamy Ravatomanga. Hoy izy, naheno fa nisy fangatahana vola sy fandrahonana nanjo an’i Ravatomanga taorian’ny nahatongavany tany Maurice tamin’ny Oktobra 2025. Nilaza i Nasser Bheeky fa niezaka nampandre an’i Navin Ramgoolam izay mbola tany ivelany tamin’izany fotoana izany. Nifandray tamin’i Suresh Seebaluck, sekretera ao amin’ny Prime Minister’s Office (Biraon’ny Praiminisitra), izy, ary niezaka hihaona tamin’i Paul Bérenger (Deputy prime minister teo aloha), saingy tsy tafiditra. Nifampiresaka tamin’ny mpanolotsaina Shafeek Hamuth kosa izy, nilaza momba ireo Unlawful Demands (fangatahana tsy ara-dalàna). Nohazavainy fa noho ny fifandraisany tamin’ny fianakaviana Fakim dia naniry hampita vaovao tamin’i Junaid Fakim, komisera taloha tao amin’ny FCC, ka nisy fivoriana tao Quatre-Bornes. Nampahatsiahy ihany koa i Bheeky ny fisamborana azy nataon’ny FCC sy ny fotoana nitazonana azy am-ponja. Nohazavainy fa very fitokisana amin’i Ramgoolam izy, ary nanambara fa misy olona akaiky ny Praiminisitra manao “immoral and unholy practices” (fanao tsy ara-pitondrantena sy tsy mendrika). Voampanga amin’ny entente délictueuse (fifanarahana heloka bevava) i Bheeky, noho ny fandraisany anjara tamin’ny fivoriana miafina tamin’ny 14 Oktobra 2025, izay nifandray tamin’ny ambarany fa ezaka hisorohana ny déportation (fandroahana) an’i Ravatomanga ho aty Madagasikara. Taorian’ny herinandro maro tany am-ponja, nahazo fanafahana vonjimaika arahina amin’ny fepetra izy ny 14 novambra 2025, tamin’ny alalan’ny fandoavana antoka Rs 500 000 sy fanekena trosa Rs 1 tapitrisa. Midika fa avo lenta sy mifamatotra amin'ny politika sy olona ambony ao Maurice ny afera Ravatomanga. Asa hanao ahoana ny aloaky ny 12 oktobra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap