airtel

Politique

29-janv-2026

Raharaham-pirenena

Mandeha ny fanakorontanana, fanaratsiana avo lenta,…

Sample post image

Na teo aza ny fanamafisana nataon’ny

29-janv-2026

Fanjakana amin’ny hiadiana amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny heloka an’habaka, vao mainka mirongatra izany amin’izao fotoana izao. Asa mifanandrify amin’ny dian’ny iraky ny SADC eto ve mba hanehoana fa misy savorovoro politika eto Madagasikara ? Manomboka mihamafy ny fivoizana vaovao diso sy tsaho entina hanozongozonana fitondrana, hampidiana ny mpitondra, hivoizana fankahalana,… Mpitondra ambony maro no manomboka tratran’izany ao amin’izao fotoana izao, ary heverina fa misy andiana mpanao politika manarama ao ambadika. Ny avy any ivelany tsy ferana, fa mety ho misy kajikajy politika avo lenta ataon’ny olona sasany ao anaty fitondrana na milaza fa manohana ny fitondrana. Voalohany amin’io ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izay misy vondrona mpikirakira Facebook manao fanaratsiana sy fanosoram-potaka govana. Tsy mifototra amin’ny resaka asa maha lehiben’ny mpanatanteraka, tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny tsy fahombiazana amin’ny fitantanana,… fa tena entina amin’ny fanosoram-potaka mamoa-doza. Misy te hanozongozona sy haka ny toerana ao Mahazoarivo indrindra amin’izao fahataperan’ilay roa volana nambaran’ny Filoham-panjakana fa hisian’ny tombana izao ? Ara-teknika sy ara-pitantanana, eny fa na ara-politika aza, dia sarotra sy hafahafa ihany izany hanolo Praiminisitra izay vao avy nandrafitra sy namolavola ary nanolotra ny Politika ankampoben’ny Fanjakana na « PGE » izany, miaraka amin’ny drafi-panatanterahana na PMO. Raha fahadisoana arak’asa toa tsy izay aloha no sary mitranga ara-politika, ary ara-teknika sy amin’ny lafiny diplaomasia, dia isan’ny Praiminisitra voasokajy ho isan’ny «négociateur hors paire » na mpandresy lahatra tsy manam-paharoa ny PM Herintsalama Rajaonarivelo raha raisina amin’ilay hoe tao anatin’ny 10 andro monja no nandaminana sy nifampiresahana tamin’ny mpamatsy vola nahafahana nanohy ny fiaraha-miasa, raha 5 taona tsy nahita mangirana ny fitondrana taorian’ny 2009. Anisan’ny hentitra amin’ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fametrahana maodely ara-toekarena hijerena ny anjara masoandron’ny mpandraharaha Malagasy ny Praiminisitra ka mety misy ny mahatsiaro ho voakitikitika.

FAMPIADIANA MANARA-PENITRA…
Iray iny fa io voizina mafy io ihany koa amin’izao ny fivoizana mafy ny anaran’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo no ao ambadiky ny baiko nanesorana ny Kolonely Ralaiavy Faneva tsy ho Lehiben’ny Vondron-tobim-paritra Menabe, nampifandraisina amina fanehoan-kevitra tany aloha. Tsy resaka fiarovana olona fa tsy fahefana Minisitry ny Fitsarana mihitsy ny hanala tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria, saingy roritina any amin’izany mba hiteraka resabe sy fifankahalana ara-politika. Nanamafy rahateo ny teo anivon'ny Zandarimariam-pirenena fa nafindra toeram-piasana io manamboninahitra io. Efa tsy ao lehiben'ny vondrotobim-paritry zandary ao Menabe intsony izy, ary famindran-toerana ara-dalàna tahaka ireo Zandary rehetra ity natao ity satria raha ny tokony ho izy dia roa taona eo ny lehiben'ny vondro-tobim-paritra no miasa amin'ny toerana iray. Raha ny fantatra dia nakarina eto Antananarivo renivohitra ity kolonely ity miandry ny fandaminana sy ny toerana hametrahana azy indray. Fomba fanao amin’ny raharaham-panjakana, saingy roritina hiteraka fifandrafiana, hany ka ny lehibe mifanaja, fa ny mpivoy fanakorontanana mikopaka afo !

VOIZINA NY FISIANA FAMADIHAN-TANINDRAZANA AVO LENTA
Mandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny fiezahana mamoron-javatra hitarika ny saim-bahoaka hankahala fitondrana any amin’ny resaka fivoizana fa manao famadihan-tanindrazana goavana na « haute trahison » ny fitondrana tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael. Tafiditra ao anatin’izany ny fanelezana vaovao mikasika fiaramanidina lazaina fa mitatitra volamena makany Dubaï, kanefa ny serasera sasany dia misy tena tsaho iniana ahely sy tsy marim-pototra, toy ny filazana fiaramanidina nandeha « aller-retour » kanefa tsy misy « temps de vol effectué » sy « restant ». Mety lesoka ihany koa ny tsy fahampian’ny serasera na fanazavana avy amin’ny Fanjakana amin’ny zavatra mety tokony hisy fanazavana, toy ireny resaka sidina ireny. "Betsaka ireo tapaka sotro fihinanana. Tsy manaiky fa nisy tolona mankany amin'ny fanovàna sy fanavaozana teto. Misy foana ny "résistance au changement". Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy aza mora andairan'ny tsaho. », hoy ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) Faniry Alban Rakotoarisoa. Na izany na tsy izany, isan’ny lesoka tamin’ireo fitondrana teo aloha ny mety fisiana olona na vondron’olona na vondrona ara-toekarena, te hampiasa ny fitondram-panjakana sy ny fahefam-panjakana ho any amin’ny fambaboana Fanjakana ho amin’ny afera sy tombotsoa ara-toekarena miteraka ny antsoina hoe : « isolément de pouvoir » sy ny « capture d’Etat » izay mila sorohana, raha tena ho any amin’ny fanavaozana marina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap