airtel

Politique

10-mars-2026

Raharaham-pirenena

Noravan'ny Filoha ny Governemanta

Sample post image

4 volana mahery kely taorian’ny

10-mars-2026

nanendrena ny governemanta ny 28 oktobra 2025, nilatsaka omaly 09 martsa 2026 ny serasera nosoniavin’ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia fa natsahatry ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael ny asan’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Ny Sekeretera Jeneralin’ny Minisitera tsirairay no misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro mandra-piandry ny fanendrena Praiminisitra sy mpikambana vaovaon’ny governemanta. Hirosoana tsy ho ela ny fanendrena Praiminisitra vaovao, araka ny paika voatondron’ny lalàmpanorenana. Amin’ny lafiny iray, azo heverina ho fanapahan-kevitra manaraka ny lojikan’ny fanamby napetraka tany am-piandohana amin’ny tsy maintsy hanaovana tombana ny asan’ireo mpikamban’ny governemanta io. Amin’ny lafiny hafa, taratry ny toe-draharaha politika mafampana, ary re ny fisiana antony ara-politika lehibe. Mety ho azo adika ho taratry ny tsy fisian’ny fitoniana politika sy fahamarinan-toerana eto amin’ny tany sy ny Firenena ihany koa ? Ho an’ny Praiminisitra, nisy ny resabe nikasika azy tany am-piandohana, saingy nampiseho ihany koa tamin’ny lafiny iray ny maha teknisianina azy tamin’ireo asa maika sy stratejika toy ny fanohizana ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nisy ny dingana vita sy natomboka tao anatin’ny 4 volana ho an’ny governemanta voalohany tao anatin’izao fanavaozana izao, fa tsy azo lavina ihany koa ireo lesoka teo amin’ny asan’ny fahefana mpanatanteraka, izay nisy ny mpikambana hita ho niasa sy nahitam-bokatra tao anatin’ny fotoana fohy, fa tao ihany koa ireo tena tsy hita tabilao, eny fa na ny anaran’ny sasany aza mety misy olom-pirenena tsy mahalala. Tao ny tsy nahafehy ireo olana samihafa na ara-politika na ara-teknika,... Ara-politika, nafana ihany koa ny kajikajy, eny fa nisy mihitsy aza ny ady mangatsiaka na fifaminganana, tsikaritra ny toa endrika fitsabahana avy amin’ny mpanao lalàna nakany amin’ny mpanatanteraka. Betsaka ireo fanenjehana nandeha nahazo ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ka ny faran’ny herinandro teo dia ireo andiana tanora nanome fe-potoana 72ora hialany sy handravana ny governemanta. Sarotra ny hahatafaverenany amin’ny toerany ? Manao ahoana ny fitohizan’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE izay izy no namolavola sy nandrafitra azy ? Matoa tonga amin’izao dia ao raha, fa ny mety manitikitika dia hoe : Fanovana sy fikitihana araka ny lojika sy ny toe-draharaha sa sanatria sao misy tsindry goavana ?

TSY TARATRY NY FIRONAN’NY VAHOAKA INTSONY
Ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa ny vondrona maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena no manolotra ny anaran’ny Praiminisitra, atolotra hotendren’ny Filoham-panjakana. Mbola tena taratry ny fironan’ny vahoaka ve anefa ny Antenimierampirenena amin’izao taorian’ny hetsi-bahoaka nanomboka ny 25 septambra 2025 ka nionganan’ny Fanjakana IRMAR izay nanana ny maro an’isa tao Tsimbazaza ? Niova loko nilaza ho manohana ny Fitondrana fanavaozana ny 80% tamin’ny volomboasary,… Nisy ihany koa andaniny ilay didy navoakan’ny HCC laharana 10-HCC/D3 ny 14 oktobra 2025, izay namaritra fa tsy afaka mifanongana ireo andrim-panjakana ka na efa tsy taratry ny safidim-bahoaka aza tsy azo kitihina. Politika ihany koa anefa io, ka asa izay mety fandaminana sy fifampiresahana mandeha. Any amin’ny PRRM ny baolina amin’ny mety ho safidy politika izay tena tsy mora, fa irariana mba hitondra makany amin’ny fihatsarana kokoa noho ny teo aloha satria henjakenjana ihany izany hanova Praiminisitra na hanao fikitihana lehibe amin’ny governemanta 4 volana taorian’ny nijoroany izany. Lojika kosa ny fanovana ireo hita fa tsy mahomby na tsy maharaka ! Andrasana ny tohiny fa hatreto mbola tsy re siosio izay anarana mety hotendrena ho Praiminisitra. Tahaka izany ihany koa ny governemanta !
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap