mpanohana fitondrana tao Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo ny hoe : « Jamais deux sans trois! Mangataka taom-piasana fahatelo na « 3ème mandat » ho an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Fianarantsoa. ». Asa na feom-bahoaka tokoa izany na miakatra ny daozin’ny fisolelahana politika ? Sady mamita-tena no mamita-bahoaka na minia mikipy eo anatrehan’ny efa tsy fahomboazana sy fahapotehana mangitsokitsoka nentin’i Andry Rajoelina sy ny volomboasary. Taom-piasana 5 taona azo havaozina indray mandeha ihany koa no voafaritry ny lalàmpanorenana eo amin’ny andininy faha-45, saingy olom-boafidy eo anivon’ny fahefana mpanao lalàna mihitsy no miantso an-dRajoelina hofidiana fanintelony, izay heverina fa tsy tongatonga ho azy. Efa miteraka ahiahy amin’ny etaomazaoro politika samihafa ny mety ho fikotrehana hikitika lalàmpanorenana hahafahan’i Andry Rajoelina mirotsaka amboletra indray. Efa 5 taona fanintelony i Andry Rajoelina, fa mena ny tondro rehetra, saingy tsy mba mahay manaja tena ny volomboasary fa mbola mieritreritra hanao amboletra hibodoana fahefana ? Madagasikara no firenena fahatelo mahantra indrindra eran-tany araka ny tatitry ny Global Finance (2024). Ny tondro momba ny fivoaran’ny olombelona na IDH (Indice de Développement Humain) an'i Madagasikara dia 0.501 (UNDP, 2023), mitana ny toerana faha-173 amin’ny 191 eran-tany izay tondro miankina amin'ny fahantrana, fahasalamana sy fanabeazana. Mihoatra ny 1 tapitrisa ny ankizy tsy mandeha sekoly (UNICEF, 2023). Ambany kalitao ny rafi-panabeazana, raha jerena amin’ny fitsapana PASEC 2019, izay 67% n’ny mpianatra tsy mahay mamaky teny tsara any amin’ny taona faha-5. Tsy ampy sy mora miala ny mpampianatra, ary ambany ny karama: vitsy no zatra fampianarana maoderina sy mahazo fiofanana fanampiny. Latsaky ny 25% ny mponina no misitraka herinaratra maharitra. Ny tolotra ara-pahasalamana tsizarizary kanefa tsy zakan’ny sarambabem-bahoaka, ianjadian’ny krizin'ny famatsiana fanafody sy fitsaboana lavareny, indrindra amin'ny VIH, tazomoka,… Madagasikara dia voasokajy ho ao anatin'ny fetra "alarmant" ao amin'ny Global Hunger Index (GHI) 2024, miaraka amin'ny naoty 36.3 ka mitana ny laharana faha 124 amin'ireo firenena 127 voatanisa. Ity naoty ity dia mampiseho haavon'ny hanoanana ambony be,… saingy tsy mba menatra sy tsy mandinin-tena ny amin’izany ny Fanjakana Rajoelina.
TONGA TAMIN’NY RA MANDRIAKA, TSY HIALA RAHA TSY RA MANDRIAKA ?
15 taona nitondrana Firenena, fahapotehana no nentiny, saingy tsy mety afa-po noho ny fitiavan-tseza sy fahefana tafahoatra. Mbola mikasa hanao sorona Firenena 5 taona manaraka, hampisotro ny rano tsy tiana ny Malagasy ? Azo sokajiana ho karazana fihantsiana vahoaka ny fikasan’i Andry Rajoelina na ny manodidina azy handrisika hanao taom-piasana fahatelo tsy ara-dalàna. Tsy tokongatonga ho azy ny fanombohana ny firesahana an’io hitsapatsapana ny vahoaka sy ny fanoherana. Efa fambolena rombo sy rotaka raha tonga amin’izany ka sanatrian’ny vava ra mandriaka sy faty olona no niakarana teo 16 taona lasa dia mbola ho tahaka izany ihany koa no ialana ? Ny fahantrana, poizina, tsy fandriampahalemana, tazomoka, tsy fahafahana mitsabo tena,… vokatry ny tsy fahaiza-mitantana mamono Malagasy tsy tambo isaina, dia mbola hovonoina amin’ny rombo politika vokatry ny fibodoam-pahefana ihany ny Malagasy ? Sa efa heverina ho raiki-tapisaka ilay hoe : manaiky ireo na inona na inona atao azy ?
Toky R