airtel

Politique

20-févr-2025

Rajoelina haka amboara momba ny « leadership »

Mampitsanga-menatra fa tsy mampirehareha !

Sample post image

Taorian’ny diany tany Afrika tapa-bolana lasa, tany Dubaï ny herinandro teo, dia ho any Casablanca Maroc

20-févr-2025

indray ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina amin’ny faran’ny herinandro, raha ny vaovao mivoaka. Handray ny amboara maha mpitondra politika afrikanina mendrika indrindra, araka ny vokatry ny fifaninanana nampanaovin’ny Africa Leadership Magazine any Londres. I Andry Rajoelina izay voalaza fa nibata fandresena tamin’ny isam-bato ambony 65,69%. Filoham-pirenena 3 no nisafidianan’izao tontolo izao tamin’io lohahevitra io, dia ny Filohan’i RD Congo, ny Filohan’i Seychelles, ary ny Filoha Malagasy. Reharehan’ny mpitondra fatratra izany, saingy mampanongo tena kosa ho an’ny Malagasy maro an’isa hoe : i Madagasikara mitana ny laharana faha-140 amin’ny 180 eo amin’ny resaka kolikoly, Firenena isan’ny mahantra fadiranovana indrindra aty Afrika Atsimon’i Saraha araka ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena, Madagasikara lozirin’ny delestazy mandavan-taona, ny Malagasy izay manodidina ny 80% mahantra fadiranovana, harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant 528,65 USD (2023)… no manana mpitarika mendrika indrindra aty afrika. I Seychelles izay nifaninana tamintsika ny filohany dia ny 100% amin’ny vahoaka no misitraka herinaratra tsy tapaka, manodidina ny 95% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, PIB par habitant : 17 879,24 USD (2023) araka ny fanasokajian’ny Banky iraisam-pirenena. Avo 34 heny amin’ny antsika ny azy ny harin-karena isam-batan’olona. Tsy resaka fankahalana mpitondra sy hitanisa ny tsy fahombiazana na koa ny fahalemen’ny Fitondrana fa tena tsy mitombina ny fisian’ny haitarika na « leadership » mahomby eto amin’ny Firenena. Porofo mivaingana hafa iny isika vao avy resy tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina iny. Raha tena hitan’ny olona taratra araka iny fifidianana lazaina fa fandresena miezinezina sy voninahitry ny Firenena amin’ny maha mpitarika mendrika aty Afrika iny, dia lany tsy nisy adihevitra ny kandida natolotry ny Malagasy. Efa ny Filoha mendrika indrindra amin’ny haitarika aty Afrika sy handray fitantanana ny Vondrona SADC atsy ho atsy ve no manao propagandy dia zara raha mahazo olona 10 amin’ny Firenena 49 nandray anjara avy nidina hatrany amin’ny 5 ? Tsapa sy tsikaritra ho milalao serasera ivelany mba hananan’ny vahiny fijery miabo momba azy ny mpitondra Malagasy, miketrika voninahitra amboamboarina toy ilay tompondakan’ny indostria sy tompondakan’ny fanjarian-tsakafo,… Marina fa nahazo anaram-boninahitra, saingy mety endrika fandrisihana hiezaka noho ny tsy fahombiazana mihoampampana. Tsy mihinana am-bolony, fa tena manara-baovao eto ny vahiny, fa ny Malagasy no terena hino, terena hanaiky ny tsy fahombiazana, tapenam-bava,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap